PolitikaSongadim-baovao

FAHA-65 TAONA NIVERENAN’NY FAHALEOVANTENA : Nisokatra ny fampirantiana sy kerimesy lehibe etsy amin’ny kianja Barea

Nanomboka omaly talata, ka tsy hifarana raha tsy ny alakamisy 19 jona 2025 izao, ny fanaovana kermesy lehibe sy ny fampirantiana mikasika ny Hery fiarovana sy filaminana, amin’izao fankalazana ny fiverenan’ny fahaleovantena sy ny niorenan’ny Foloalindahy malagasy, izay fanao isan-taona. Eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina no hanaovana azy, amin’izao fankalazana ny faha-65 taona izao. Manamafy hatrany ny tarakevitra hoe : « Ny fitiavan-tanindrazana, mitarika fandrosoana ». Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin, niaraka tamin’ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Inspecteur Général de Police Rakotoarimanana Herilala sy ny Minisitra delege misahana ny Zandarimaria, ny Jeneraly Rakotondrazaka Andriatsarafara Andriamitovy, ny Filohan’ny Komitim-Pirenena Manomana ny Fetim-pirenena (KPMF), ny Jeneraly Rakotondrabary Eric ary ireo tomponandraikitra ambony sivily sy miaramila. Natomboka tamin’ny fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana ny fotoana,  nitohy tamin’ireo lahateny nifandimbiasana ka niroso tamin’ny fanapahana ny kofehy sy ny fitsidihana ireo tranoheva ary nifarana tamin’ny fanoratana tao anatin’ny boky volamena. Nambaran’ny Minisitry ny Foloalindahy, fa raha jerena amin’ny rafitra misy eny anivon’ny fiarahamonina, dia azo oharina amin’ny hazo sarobidy na voamboana, izany hoe, 65 taona izany. Midika fahamafisana sy fahalavam-pahavelomana. Maro, araka izany, ireo dingana nolalovana vao tody amin’izao vanim-potoana izao, hoy hatrany izy.

Vonona hiaro ny tanindrazana hatrany

Mbola mijoro ary vonona hatrany hiaro ny Tanindrazana ny Hery Fiarovana sy Filaminana, araka ny nambarany ary nohamafisiny fa hihamafy tahaka ny voamboana hatrany, ao anatin’ny 65 taona manaraka. Nanamafy izany koa ny Filohan’ny KPMF fa nomena sehatra sy lanja manokana, izao hetsika izao, amin’ny maha fotoan-jobily azy. Tsiahivina hatrany fa miara-misalahy amin’ny fanatanterahana, izao hetsika izao avokoa, ny avy ao amin’ny Tafika Malagasy, ny Zandarimaria ary ny Polisim-pirenena. Miisa 30 ireo tranoheva miranty ao an-toerana,  ka 13 amin’ireo, dia an’ny Tafika Malagasy, izay ahitana ny mahakasika ireo Vondron-Tafika. Hita ao avokoa ireo vakokan’ny Tafika sy ny rafitra misy, izay nisy hatry ny niforonany sy ireo rafitra misy ankehitriny. Miisa 10 kosa, ny an’ny Zandarimariam-pirenena, raha enina, ny an’ny Polisim-pirenena. Hita ao amin’ny fampirantiana ireo fitaovana samihafa fampiasan’ny eo anivon’ny Hery Fiarovana sy Filaminana, toy fiaramanidina, ny fiara mifono vy, ireo fitaovam-piadiana isan-karazany. Hita eny an-toerana ihany koa ireo tranoeva natokana ho an’ ireo fikambanan’ny vadin’ny mpitandro filaminana ahafahan’izy ireo maneho ny fahaiza-manaony amin’ny resaka asa-tanana sy ny maro hafa.

Pierre M.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer