Fanadihadiana ManokanaToekarena

VAROTRA ASA TANANA MALAGASY : Nampiditra 32 tapitrisa Euros tamin’ny taona 2024

Nisongadina nandritra ny hetsika fanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny asa tanana omaly ny fizarana karatra maha matihanina ho an’ireo mpisehatra. Hahafahana mampiroborobo hatrany io sehatrasa iray io izany. Ny varotra asa tanana malagasy izay nampiditra vola hatramin’ny 32 tapitrisa Euros tamin’ny taona 2024 lasa teo.

Tsikaritra nandritra ny hetsika varotra fampirantiana notanterahana teny amin’ny Mining Business Center Ivato omaly, ho fanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny asa tanana ankalazaina isaky ny 10 jona, fa miha mivoatra hatrany ny asa tanana eto amintsika. Natao mifanaraka amin’ny filàna andavanandro izany ary mitodika amin’izany ihany koa ny fironanana misy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. “Tsara ny asa tanana malagasy. Efa maro isika no mankafy ny vokatry avy eto an-toerana. Hita taratra eny rehetra eny fa maro ny Malagasy manjifa ny asa tanana vokarintsika. Tsy isika irery anefa no mankafy azy fa hatramin’ireo vahiny avy any ivelany”, hoy ny fanehoan-kevitra nentin’i Miora Andriamifidy, tompon’andraikitra ao amin’ny orinasa Maneva. Ity farany izay orinasa misehatra amin’ny asa tanana ka nandray anjara tamin’ny hetsika natao teny Ivato omaly. Vokatra asa tanana avy ao amin’ny Maneva ny kojakojan-damaody sy fitaovana fanaingoana ny ao an-tokantrano, vita avy amin’ny karazana “fibres végétales” maro. Raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra dia 20 taona izao no nijoroan’ny Maneva, ary 15 taona namaliana ny filàna teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny orinasa. Nandritra izay fotoana maro izay dia tsapa ny fivoarana eo amin’ny tontolon’ny asa tanana malagasy, indrindra ny mahakasika ny fanondranana any ivelany, hoy hatrany i Miora. Mitady kalitao ambony kokoa hatrany ny mpanjifa. Raha tsy natao laharam-pahamehana loatra izany kalitao izany tany aloha, satria mbola vitsy ny mpisehatra kanefa ny tinady ambony, dia mifanohitra amin’izany kosa ny ankehitriny. Mitombo ny fifaninanana eo amin’ny tsena, ary miakatra ny fitiavana ny asa tanana malagasy. Midika izany fa mila matihanina sy manana kalitao ambony ny vokatra mba hahafahana misitraka lalam-barotra.

Mbola mila ezaka maro…

“Mbola betsaka ny ezaka miandry sy mbola hatao mba hahatonga ny fizahantany sy ny asa tanana ho fototry ny fampandrosoana eto Madagasikara”, hoy ny nambaran’ny Minisitry ny Fizahantany sy ny Asa tanana Viviane Dewa omaly. Nambarany fa nandritra iny taona 2024 iny dia nampiditra 32 tapitrisa Euros ny varotra asa tanana malagasy nataontsika tany ivelany. Nahitana fiakarany 18,10% izany raha mitahy amin’ny antontanisa teo aloha. Mitohy hatrany, araka izany, ny fanamby ho fampivoarana ny sehatry ny asa tanana eto Madagasikara. Hany olana goavana mbola hatrehitsika amin’izao fotoana ny tsy fahampiana traikefa sy tsy fitodihana amin’ny matihanina any amin’ireo mpanao asa tanana. Tranga matetika miseho, ohatra, ny tsy fanajana fotoana amin’ny famitàna ny kaomandin’ireo mpanjifa. Izay no mbola mahatonga antsika sokajiana ho “pays échantillon”. Fanamby ny hahalasa “pays fournisseur” na firenena mpamatsy asa tanana an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Midika izany fa raha misy mitady asa tanana hatramin’ny 10 kaontenera rahampitso dia manana ny entana hamaliana izany filàna izany avy hatrany isika.

Manoloana ireo rehetra ireo dia paikady entin’ny Ministeran’ny Fizahantany sy ny Asa tanana ny fanamafisana traikefa amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny fanofanana. Omaly teny Ivato dia nisy ny fizarana mari-pahaizana ho an’ireo izay nahavita izay fiofanany izay. Ho fampiakarana ny antontanisan’ny mpanao asa tanana malagasy hahazoana mamaly ireo filàna dia misy ihany koa ny fampivoarana fampiofanana ao anatin’ny fandaharanasa Sambatra sy Sandratra. Olona marefo sy tanora miisa 600 avy amin’ny biriborintany 4 ato anatin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra no anisan’ny efa nisitraka izany. Ankoatra ireo dia dia hisy ny fametrahana “Hub Design” na ivontoetana fianarana ara malagasy. Mitohy hatrany ny fitadiavana lalam-barotra amin’ny fandehanana any ivelany. Mieritreritra ny hikarakara hetsika mifandraika amin’izany any Dubaï ny Ministera hatramin’ny faran’ity taona ity. Mahakasika ny fisitrahana akora fototra kosa, hatolotra tsy ho ela ny ivontoetana hanamora ny fisitrahan’ireo mpanao asa tanana izany akora ilainy amin’ny asan’izy ireo izany. Tsy hadinoina ny fampitaovana.

 

Tombony maro no entin’ny fananana karatra maha matihanina

Natao hanomezam-boninahitra manokana ireo mpanao asa tanana malagasy moa ny tanjon’ny hetsika fanamarihana nokarakaraina teny Ivato omaly. Manana ny fahaiza-manao ny mpanao asa tanana malagasy ka mendrika ny homem-boninahitra izy ireo, hoy ny Minisitra. Anisan’ny nisongadina tamin’ny fanamarihana omaly, araka izany, ny fanolorana karatra maha matihanina ho an’ireo mpanao asa tanana. 30 tamin’ireo 700 nanao fangatahana no nisantatra izany fizarana izany. Miainga avy amin’io antontanisa io dia fantatra fa mbola maro ireo mpisehatra amin’ny asa tanana tsy manana akory izany karatra maha matihanina izany, ka tsy afaka misitraka feno ny zony. Tombony maro anefa no entin’ny fananana io karatra io. Anisan’izany ny hahafahana misitraka ireo karazana fiahiana ara-tsosialy sy ara-pahasalamana, ny fisitrahana fanamafisana fahaiza-manao, ary fahafahana misitraka ireo tolotra marolafy avy amin’ny Fitondram-panjakana sy ireo mpiara-miombona antoka. Tsy azo hadinoina ihany koa fa manampy betsaka amin’ny fanamorana ny fahazoana ny antontanisan’ny mpanao asa tanana ny fananana karatra. Tsara anefa ny manamarika fa mandalo sivana maro vao tonga any amin’ny fahazoana io karatra maha matihanina io ary tsy izay rehetra misehatra amin’ny asa tanana dia mahazo izany. Tsy maintsy olona mifototra sy manao antom-pivelomana ny asa tanana, hoy ny Minisitra. Voamarin’ny fiarahamonina manodidina fa tena mpanao izay asa tanana izany tokoa ilay olona. Tsy hadinoina ny sivana mifanaraka amin’ny maha matihanina azy.

Nangonin’i Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer