PolitikaSongadim-baovao
FAMPANDROSOANA ENY IFOTONY: Nigadona an-tanindrazana ireo Diaspora hanao asa an-tsitrapo
Ny alahady 8 jona 2025 teo no nigadona teto an-tanindrazana ireo Diaspora malagasy miisa 13 mpirotsaka an-tsitrapo ao anatin’ny fandaharanasa « Loharano II ». Haharitra efa-bolana ny fijanonan’izy ireo eto an-tanindrazana, izay hanatanterahan’izy ireo asa fampandrosoana eny ifotony, araka ny angom-baovao. Mpirotsaka an-tsitrapo avy Frantsa, Etazonia, Sénégal, Djibouti ireto tonga eto Madagasikara ireto, ao anatin’ny andiany 2025 amin’ilay fandaharanasa « Loharano II », tarihin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny, sy ny Organisation internationale pour les Migrations (OIM). Marihina fa vatsian’ny AFD vola ity tetikasa ity, miaraka amin’ny Expertise France (EF) sy ny Institut de Recherche pour le développement (IRD). Ny fandaharanasa « Loharano II » ihany koa ny tafiditra ao anatin’ny tetikasa Tan-tsoroka ho an’ny Diaspora na TADY, izay fanatanterahana ny « Lettre de Politique Nationale pour l’Engagement de la Diaspora Malgache (LPNED).
« Ireo tanora ireo no tetezana mampifandray an’i Madagasikara sy izao tontolo izao », araka ny nambaran’ny Lehiben’ny Iraky ny OIM eto Madagasikara sy Kaomoro, Roger Charles Evina. Araka ny fanadihadiana dia hifantoka betsaka amin’ny sehatry ny fanabeazana, fiarovana ny tontolo iainana, fahasalamana, fandraharahana, ary fambolena lovainjafy, ny iraka hotanterahin’ireo tanora ireo.
Marihina fa efa manaraka fiofanana sy torolalana eto Antananarivo ireo 13 tonga voalohany ireo amin’ity herinandro ity. Mbola hisy mpirosaka an-tsitrapo efatra kosa ho avy hanampy azy ireo amin’ny tapak’ity volana jona ity.
Nangonin’i LR.



