Fanadihadiana ManokanaToekarena
FIZAHANTANY 2024: Nampiditra vola vahiny maherin’ny 780 Tapitrisa dolara
Andry fototra stratejika manan-danja ho an’ny fampandrosoana eto Madagasikara ny sehatry ny fizahantany sy ny asa tanana. Nampiditra vola vahiny maherin’ny 780 tapitrisa dolara ny fizahantany tamin’iny taona 2024, raha toa ka vola maherin’ny 39 tapitrisa euros no nampidirin’ny asa tanana. Ataon’ny Fitondram-panjakana laharam-pahamehana hatrany ny fampiroboroboana ireo sehatra ireo…
Mbola mihoatra lavitra noho ny maha sehatra ara-toekarena azy ny fizahantany eto Madagasikara, hoy ny nambaran’ny Minisitry ny Fizahantany sy ny Asa tanana Viviane Dewa omaly, nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika ITM-11 sy IHM-2 teny Ivato. Andry fototra stratejika manan-danja ho an’ny fampandrosoana ny firenena ny fizahantany ankehitriny. Anisan’ny nanamarika io sehatry ny fizahantany io ny ezaka vita tamin’ny taona 2024. Mpizahatany avy any ivelany manodidina ny 315 000 no tonga nitsidika an’i Madagasikara. Lohalaharana amin’ireo ny Frantsay, Italianina ary Polonais. Ireo mpizahatanin’ny taona 2024 ireo izay nampiditra vola vahiny maherin’ny 780 tapitrisa dolara. Midika izany fa iray amin’ireo andry 3 mampiditra vola vahiny betsaka indrindra ho an’i Madagasikara ny fizahantany, hoy hatrany ny Minisitra Viviane Dewa. Ny fizahantany no miantoka ny 14,9% amin’ny harin-karena faobe. Ary miteraka famoronan’asa mivantana hatramin’ny 350 000 isa sy asa tsy mivantana maherin’ny 3 000 000 isa. Vokatr’izay firoborobon’ny fizahantany izay no antom-pisian’ireo mpanao asa tanana marobe, ireo mpitaridia, ireo trano fandraisam-bahiny, toeram-pisakafoanana sy karazana asa maro hafa.
Atao vaindohan-draharaha hatrany, noho izany, ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany eto Madagasikara. Ho fampiharana izany dia efa maro ireo ezaka notanterahantsika. Misongadina amin’izany ny fanatsarana ireo sidina mampifandray ny Nosy amin’izao tontolo izao. Nisy, ohatra, ny fahatongavan’ny kaompaniam-pitaterana an’habakabaka Emirates. Raha sidina in-3 isan-kerinandro no nataon’izy ireo teto Madagasikara tamin’ny volana septambra 2024 dia hitombo tsy ho ela ho sidina 7 izany atsy ho atsy. Mitovy amin’izany ihany koa ny Ethipian Airlines izay hampiakatra hatramin’ny 17 isan-kerinandro ny sidina ataony mankany Nosy Be.
Tanjona nofaritan’ny Filoha Andry Rajoelina moa ny hahatonga an’i Madagasikara ho toeram-pitsidihana fantatra amin’ny fizahantany mandray andraikitra, mampiaty sy maharitra. Hahatongavana amin’izany dia nofaritana ny paikady toy ny fanosehana ny mpisehatra ho matihanina kokoa. Mitohy noho izany, ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’izy ireo ka olona maherin’ny 43 000 no efa nisitraka fiofanana teo anelanelan’ny volana janoary sy mey 2025.
Hetsika iraisam-pirenena ITM sy IHM: tafakatra 500 ireo mpandray anjara
Ho fampiroboroboana hatrany io fisintonana mpizahatany avy any ivelany io dia tanterahana ato anatin’ny 4 andro, nanomboka omaly, ny hetsika iraisam-pirenena ITM (International Tourism fair Madagascar) izay miditra amin’ny adiany faha-11 amin’ity taona ity, sy ny IHM (International Handcraft fair Madagascar) andiany faharoa. Mampiantrano ireo mpampiranty marolafy eo amin’ny sehatry ny fizahantany sy ny asa tanana, avy eto Madagasikara sy avy any ivelany, ny eny amin’ny tokontany malalaky ny CCI Ivato. Tafakatra 500 ny isan’ireo mpandray anjara tamin’ity taona ity, raha toa ka nanodidina ny 400 ny tamin’ny taon-dasa. Nitombo avo roa heny ihany koa ny isan’ireo mpanohana hoy ny nambaran’ny Filohan’ny Filan-kevim-pitantanan’ny ONTM (Office National du Tourisme de Madagascar), Ionjaniaina Ranaivoarimanana. Araka izany, tanjona amin’ireo hetsika roa ireo ny hampihaonana, hifampifanakalozana sy handraiketana fiaraha-miasa eo amin’ireo samy mpandraharaha. Tanjona faha ihany koa ny fampahafantarana amin’ny rehetra ireo tolotra ara-pizahantany azo tsidihana eto Madagasikara sy ireo karazana asa tanana malagasy azo jifaina. Manana tombony manokana, araka izany, ireo mpandraharaha mandray anjara amin’ny hetsika ITM sy IHM, hoy ny fanazavan’Atoa Danny Barivelo, talen’ny ONTM. Hahafahan’izy ireo mifanerasera amin’ireo matihanina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fiarahana amin’ireo hetsika ireo. Hahafahan’izy ireo mampahafantatra amin’ny rehetra ny vokatra sy tolotra misy ao aminy ihany koa. Midika izany fa dingana iray amin’ny fampivoarana ny orinasam-pizahantany sy asa tanana ny fandraisana anjara amin’ny ITM sy ny IHM.
Mbola nanamafy izay fahombiazana amin’ny fandraisan’anjara amin’ireo hetsika ireo izay moa i Rojo Ratsimba, tompon’andraikitra amina orinasa mpikarakara dia iray eto Madagasikara. 2 taona izao no nadraisan’izy ireo anjara tamin’ny ITM. Nambarany fa misy fiantraikany tsara amin’ny fandraharahana ataon’izy ireo izany satria hita ho mitombo hatrany ireo olona mila ny tolotr’izy ireo aorian’ny hetsika. Tombanana manodidina ny 20% izay fiakaran’ny tahan’ny mpanjifa izay, hoy hatrany i Rojo Ratsimba. Nohazavainy fa manampy betsaka ireo mpisehatra amin’ny fizahantany ny ITM satria mialoha ny vanim-potoan’ny fialan-tsasatra eto amintsika izy no sady mifanandrify amin’ny vanim-potoana maha betsaka ireo mpizahatany tonga avy any ivelany ihany koa ka manosika azy ireo hahasarika mpanjifa bebe kokoa hatrany.
FILOHA ANDRY RAJOELINA: tetikasa tsy latsaka ny 5 hananganana hotely lehibe “kintana 5”
Marihina fa nanome voninahitra no sady nanokatra ny lanonana teny amin’ny CCI Ivato ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina. Anisan’ireo vahiny nasaina tamin’ity lanonana ity ny Minisitry ny fizahantany ao Maurice, ny minisitry ny fizahantany sy ny asa tanana ary ny toekarena sosialy sy ny firaisankina ao Maroc, ary ny ambasadaoron’i Madagasikara ao Maroc. Nisongadina tao anatin’ny lahatenin’ny Filoha Andry Rajoelina ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana, amin’ny fametrahana laharam-pahamehana ny sehatry ny fizahantany sy ny asa tanana. Anisan’izany ny fisiana tetikasa, tsy latsaky ny dimy amin’ity taona ity, amin’ny fananganana hotely kintana dimy, ny fitokanana ny « village artisanal » eny Ivato afaka andro vitsy, ny fampitomboana ny sidina an’habakabaka mankaty Madagasikara, amin’ny alalan’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo Kaompaniam-pitaterana, sns. Eo koa ny fanomezan-danja ny modelim-pampandrosoana mampiaty, na tsy manavaka, eo amin’ny sehatry fizahantany, izay manasongadina ny harena mampiavaka ny faritra tsirairay avy. Taorian’ny lanonam-panokafana, dia niroso tamin’ny fanapahana « ruban » ireo olona manan-kaja notarihin’Atoa Filoha. Nisy ny fitsidihana ireo tranoheva miisa 500. Fotoana izay nahafahan’ny Filoha nihaona mivantana tamin’ireo mpandraharaha amin’ny sehatry ny fizahantany sy ny asa tanana. Mahakasika ny asa tanana manokana moa, nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina fa mamelona olona 2 tapitrisa, izay misy sampanasa 14 sy karazana asa 164. Mandray anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana ity sehatra ity, satria nahavita nampiditra 39 tapitrisa Euros, tamin’ny taona 2024, raha 17 tapitrisa Euros, tamin’ny 2017.
Nangonin’i Sarobidy Sidonie sy Rado Harivelo



