PolitikaSongadim-baovao

ANTENIMIERANDOHOLONA : Nandany tolo-dalàna telo ireo Loholon’i Madagasikara

Tolo-dalàna miisa telo natolotr’Andriamatoa Jeneraly Ravalomanana Richard no lany nasiam-panitsiana nandritra ny fivoriana azon’ny besinimaro natrehana notanterahina teny amin’ny Lapan’Anosikely omaly alakamisy faha 12 jona 2025. Voalohany amin’izany ny tolo-dalàna fehizoro laharana faha 005-2025/SENAT/PPL mikasika ny fitondrana ankapoben’ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka. Araka ny fanazavana dia natao izao tolo-dalàna izao ho fampitoviana ny lahy sy ny vavy amin’ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana. Isan’ny fanamarihana nataon’ireo vehivavy Filohan’Andrimpanjakana sy ireo vehivavy Parlemantera nandritra ireo fivoriana maro natrehan’Andriamatoa Filohan’ny Antenimierandoholona, isan’izany ny « Assemblée Parlementaire de la Francophonie – APF » natao tany Maurice sy Maroc ary Canada, ny « Union InterParlementaire – UIP » natao tany Chine, ny « Association des Sénats d’Afrique natao tany Côte d’Ivoire ary ny « Association des Sénats, Shoura, et Conseils équivalents d’Afrique et du Monde arabe » natao tany Rabat Maroc, ny mbola maha ambany ny salan’isan’ireo vehivavy mitàna andraikitra politika eny anivon’ny Parlemanta mitaha amin’ny isan’ny lehilahy. Araka izany dia nangataka lalàna mifehy ny fanajana ny miralenta izy ireo. Nanao fanamarihana anefa Andriamatoa Filohan’ny Antenimierandoholona ary nilaza fa tsy maintsy misy ny safidy atao eo amin’ny fitakiana ny fanajana ny miralenta sy ny fanajana ny safidim-bahoaka. Ny soso-kevitra narosony araka izany dia ny fanajana ny safidim-bahoaka fa kosa eny anivon’ny antoko politika no apetraka ny fanajana ny miralenta. Marihana fa tao amin’ny andininy faha-4 no nasiam-panitsiana tamin’ity tolo-dalàna fehizoro ity.

Ny faharoa kosa dia ny tolo-dalàna laharana faha 006-2025/SENAT/PPL mikasika ny fandaminana sy fanarahamaso ny fivezivezen’ny teratany malagasy any ivelany. Ity tolo-dalàna ity dia manamafy ny sazy ampiharina amin’ireo mpifindra-monina tsy ara-dalàna sy amin’ireo mpiray tsikombakomba aminy. Araka ny fanazavana dia isan’ny antony nanaovana izao tolo-dalàna izao ny hamaroan’ny fifindra-monina tsy ara-dalàna izay matetika mitera-doza ho an’ilay mpifindra monina. Eo ihany koa ny fanasaziana ireo mpifindra monina tsy ara-dalàna tafaverina an-tanindrazana rehefa tratra ka averin’ny firenena amin’ny firenena nivahinianany tamin’ny fomba tsy ara-dalàna izy ireo.

Ny tolo-dalàna laharana faha 007-2025/PPL mikasika ny fanavaozana ny fehezan-dalàna mifehy ny fivezivezena an-dranomasina kosa no tolo-dalàna fahatelo nolanian’ny Antenimierandoholona. Izao tolo-dalàna izao no natao dia mba hamongorana ny fifindra-monina tsy ara-dalàna sy hanamafisana ny sazy izay efa ampiharina amin’ireo mpifindra monina tsy ara-dalàna ireo. Araka izany dia mifandray sy mifameno amin’ny tolo-dalàna laharana faha 006-2025/SENAT/PPL ity tolo-dalàna ity.

Nangonin’i LR.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer