KolontsainaSongadim-baovao

TARIKA ‘ZAY – FETIN’NY MOZIKA : Hampiaina indray ireo hira nanamarika ny Rakikira I, II sy faha-III

Hiaka-tsehatra etsy amin’ny Kudeta Anosy ny Tarika ‘Zay ny sabotsy 21 jona 2025 izao, ao anatin’ny fanamarihana ny Fetin’ny Mozika. Hanomboka amin’ny 8ora alina ny seho, araka ny nambaran’ny mpikarakara, ary haharitra adin’ny roa.

“Efa voatondro”, io no lohahevitry ny seho hotanterahin’ny Tarika ‘Zay, izay mifandraika indrindra tamin’ny lohatenin’ny hiran’ny Tarika, tao anatin’ny Album na Rakikira tany aloha. Araka izany, hampiavaka ity seho an-tsehatra ho ataon’izy ireo ny sabotsy 21 jona izao ity ny fampiainana indray ireo hira nanamarika ny Rakikira I sy II ary III. Notsindrian’ny mpikarakara fa misy ireo “generation” tsy maharaka ireo taty aoriana intsony, ka omena vahana manokana izy ireo mandritra io seho io.

Mahakasika ilay hira “Efa voatondro” manokana moa dia betsaka ireo mpifankatia na mpivady nisafidy ny hanao fanokafana ny mariazin’izy ireo tamin’ny alalan’iny hira iny. Ary fiainam-pitiavan’olona maro ihany koa no niaina niaraka tamin’ireo Rakikira voalohany sy faharoa ary fahatelon’ny Tarika ‘Zay ireo, ka omena vahana kokoa izy ireo mandritra io fampisehoana io.

Tsara marihina fa hisy fandraisana anjaran’i Mendrika ity seho ity, izay mpanakanto vao misondrotra.

Ny tapakila kosa dia azo jifaina eny amin’ny Kudeta Anosy ihany, amin’ny sarany 50 000Ar (Simple), sy 80 000Ar (Salle VIP), na afaka miantso ihany koa ny laharana 037 55 527 34.

Ny Fanoratana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer