Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

FIKASANA VONO OLONA : Zaza menavava notsatohan’ny rainy hety teo amin’ny tendany

Zaza menavava iray no nokasain’ny rainy ho vonoina tao Andempobe, fokontany Ambohiboahangy, kaominina Ambohimalaza miray, ny zoma lasa teo.  Voasambotra  ireo Ray aman-drenin’ ilay zaza, izay nahavanon-doza, 20 ora taorian’ny fandikan-dalàna nitranga. Noho ny fanomezam-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo sy ny fiaraha miasa mivantana, teo anivon’ny tobim-paritra Ambohimalaza sy Ambohimangakely no nahazoana ny vokatra. Voasambotra teto amin’ ny faritra Ambohimalaza ilay renin’ ilay zaza, raha toa ka voasambotra teny amin’ny faritra antsoina hoe Amboromanina, fokontany Andranovao, kaominina Ambohimangakely kosa, ny rain ilay zaza, nahavanon-doza. Ny fanadihadiana savaranonando no nahafantarana fa ny andron’ io zoma io no nifanaraka izy mivady fa omena olona iray antsoina hoe Nenitoa Jeanine, mipetraka any Sabotsy Namehana ilay zaza. Rehefa lasa niasa anefa ilay Ramatoa, dia nentin’ ilay rangahy niala tao Amboromanina Andranovao Ambohimangakely ilay zaza, ka nentiny teny Andempobe, fokontany Ambohiboahangy, kaominina Ambohimalaza ka notsatohiny hety ny tendany. Zava-doza fa tena fikasana hamono io zaza io.

Niaiky nony farany…

Rehefa natao famotorana ilay renin-jaza dia nanafina io fifanarahana io tamin’ny voalohany, saingy niaiky tato afara fa nifanaraka tamin’ ilay rangahy vadiny mikasika ny fanomezana io zaza io. Niaiky ny hadisoany izy fa olona mbola tsy hitany ary tsy fantany ilay olona nokasaina  homena ilay zaza. Rehefa natao fanadihadiana kosa, ilay rangahy nahavanon-doza, niaiky fa izy no nikasa hamono ilay zaza ary ny tena antony nikasany hamono azy, dia tsy mahazo fitiavana amin-dRamatoa vadiny izy fa lasan’ io zaza io daholo ny fitiavana. Io zaza io dia efa fito volana tao an-kibon-dRamatoa vao niaraka izy ireo, ka nitsiry ny hevi-dratsy tao an-tsainy ny hamono io zaza io. Natao andrimaso ao amin’ny tobim-paritra ireo mpivady roa voasambotra. Mitohy ny fanadihadiana momba ity fikasana hamono zaza menavava ity.

Pierre M.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer