
SamihafaSongadim-baovao
SEHATRY NY FIAROVANA, FANDRAISAM-BAHINY,… : Nisokatra ny Ivotoeram-piofanana stratejika “Madagascar Security Academy (MSA) »
“Amin’ny hafaliana lehibe no anambarako aminareo ny fisokafan’ny Madagascar Security Academy (MSA) amin’ny fomba ofisialy, tetikasa iray tena lalaiko sady maneho tanteraka ny vina ijoroan’ny Groupe SODIAT : fananganana ho avy mafy orina, mirindra ary matanjaka ho an’i Madagasikara”, io no fanambarana nataon’ny Filoha Tale Jeneralin’ny Vondrona Sodiat, ny PDG Maminiaina Ravatomanga. Araka ny fanazavany dia any Andakana no misy azy, ary mihoatra lavitra noho ny ivon-toeram-pampiofanana tsotra ny MSA. Izy dia akademiam-piofanana tena izy, manara-penitra ara-pitaovana, natsangana mba hamaly ireo hetaheta maro mahakasika ny fiofanana sy ny fampivoarana arak’asa eo amin’ny sehatra stratejika. Tafiditra ao anatin’izany ny sehatry ny fiarovana manokana, amin’ny alalan’ny fampiofanana feno ny mpianatra ho lasa matihanina sy mahay, ny fiarovana ny seranam-piaramanidina, iaraha-miasa amin’ny SPSS/AMARANTE, ny fampiofanana amin’ny fandraisam-bahiny manara-penitra, izay hiarahana miasa amin’ny Havila School, ny toeram-pitsaboana ny biby, miompana amin’ny fanasitranana sy fiahiana azy ireo, ary ny sampana cynophile, izay manana ny tolotra-ny manokana (famantarana, fiarovana, fanohanana) sy manofana ireo mpiasa miaraka sy ny alika araky ny fenitra matihanina indrindra.
Nahazo fankatoavana
Araka ny fanamafisana avy amin’ny PDG Maminiaina Ravatomanga dia niara-niasa tamin’ireo matihanina sy mpiara-miombon’antoka manana traikefa izy ireo, mba hanolotra fiofanana hentitra, miorim-paka amin’ny tena zava-misy eto an-toerana. Efa nahazo fankatoavana avy amin’ny Aviation Civile de Madagascar (ACM) ny MSA, midika fa afaka manofana amin’ny fomba mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena sy nasionaly.
Ny fisian’ny MSA dia manatratra ireo fanamby mahakasika ny fampivoarana arak’asa, ny fiarovana, ny fiandrianam-pirenena ary ny fampandrosoana ara-toekarena. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny finiavana hanofana talenta eto an-toerana — ho an’i Madagasikara ary ho an’i Afrika — izay vonona hanatratra sy hiatrika ireo fanamby amin’ny ho avy.
« Ho anareo tanora, matihanina, sy mpiara-miombon’antoka liana rehetra : eto no iandohan’ny ho avy. Aoka isika no ho mpanorina ny ampitso”, hoy ny PDG Maminiaina Ravatomanga.
Nangonin’i LR.




