Songadim-baovaoSosialy

MPIKIRAKIRA FANADINAM-PANJAKANA: Hatsaraina sy hafainganina ny fisitrahana tambin-karama

Fanadinam-panjakana voalohany hatrehin’ny mpianatra ny CEPE (Certificat d’Etudes Primaires Elémentaires) ka mety ho maro amin’izy ireo no hanavao ny lamina rehetra mifandraika amin’izany. Na teo aza ny fihomanana nandritra ny taona dia nanolon-kevitra azy ireo ho amin’ny fiatrehana ity andron’ny fanadinana anio ity ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena Sahondrarimalala Marie Michelle omaly. Nialoha izany anefa dia nitondra ny teny fitsofan-drano ho an’ireo mpianatra rehetra hanala ny fanadinana CEPE anio ny Minisitra. Maniry azy ireo mba ho tody soamantsara, ho tafita amin’ny fanadinana, hahomby daholo ka ho tody amin’ny ambony indrindra hatrany ny tenany. Taorian’izay dia nanasongadina ny maha zava-dehine ny fiomanana ara-tsaina ny Minisitra ka niantso ireo mpianatra mba tsy hanao ambanin-javatra ny torimasony mialoha ny fiatrehana ny fanadinana. Mifanindran-dalana tamin’izany dia nametraka hafatra ho an’ireo Ray aman-dRenin’ny mpiadina ihany koa ny tenany. Nohazavainy fa tena ilaina ny manohana ny zanaka satria izy ireo no hoavin’ny firenena. Ilaina ny manome fitiavana sy manohana ireo mpianatra ara-tsaina, amin’ny alalan’ny endrika marolafy. Amin’izao androm-panadinana izao, araka izany, dia mangataka ireo Ray aman-dReny mba hampiseho izay fanohanana izay ny Minisitra: hanatitra azy ireo eny amin’ny toeram-panadinana, hanatitra sakafo sy haneho ireo andrika fanohanana marolafy.

Zava-poana ihany anefa ny fanatontosana ny fanadinam-panjakana raha toa ka tsy eo ireo mpiantsehatra marolafy. Izany indrindra no nahatonga ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena nanantitra ny fisaorana azy ireo mahakasika ireo asa fikarakarana rehetra. Na ho an’ireo mpiasa eo anivon’ny Ministera foibe izany, eny amin’ireo DREN sy CISCO, ireo mpandraharaha, indrindra ireo mpampianatra sy mpanabe.
Mahakasika ireo mpikirakira fanadinam-panjakana manerana an’i Madagasikara kosa indray, nanome toky ny Minisitra omaly fa tsy maintsy hatsaraina sy hafainganina hatrany ny fandoavana ny tambin-karaman’izy ireo. Efa natomboka izany ary mbola tohizana hatrany. Nambara fa efa saika voaloha avokoa amin’ny ankapobeny ireo vary mangatsiaka teo aloha. “Ny tanjontsika amin’ity taona ity dia ho eo am-palatananareo faran’izay haingana ny tambin-karama”, hoy hatrany ny Minisitra.

S.S

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer