Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
LEHILAHY IRAY NISANDOKA HO MPITSARA: Nikasa haka vola 56 Tapitrisa Ar tamina olom-boafidy teo aloha
Miparitaka ny fisolokiana! Efa miezaka amin’ny farany tratra mihitsy amin’izao ny mpisoloky ka mila mitandrina ny rehetra. Lehilahy iray 47 taona, nisandoka ho mpitsara, no tra-tehaky ny Polisim-pirenena tany Ambatondrazaka, ny sabotsy 14 jona lasa teo. Olom-boafidy iray teo aloha tany an-toerana no nanao fitarainana nampandre ny mpitandro filaminana, fa misy lehilahy niantso azy foana sy mitonona ho mpitsara, miasa ao amin’ny tribonaly Ambatondrazaka. Nilaza ity lehilahy ity fa misy raharaha eny amin’ny fitsarana momba ity olom-boafidy teo aloha ity, ka mba hampilamina izany dia nangataka vola mitentina 56 tapitrisa Ariary taminy io olona mitonona ho mpitsara io. Tonga hatramina fampitahorana mihitsy moa io mpitsara sandoka io, fa raha tsy mandoa ny vola izay takiany ilay olom-boafidy teo aloha dia haiditra am-ponja avy hatrany. Manoloana izany dia nametraka fitoriana teny amin’ny biraon’ny Polisim-pirenena ao Ambatondrazaka izy. Nandray andraikitra avy hatrany ny Polisy tany an-toerana, nametraka vela-pandrika mba hahafahana misambotra io olon-dratsy io. Ny marainan’ny 14 jona io dia voasambotra teny Avaradrova Ambatondrazaka, ity lehilahy rehefa saika haka ny vola. Nahitana basy poleta iray marika italiana sy bala miisa 12 “calibre 22 LR” teny aminy nandritra ny fisavana, miampy bala “calibre 12” miisa 06. Natao famotorana avy hatrany ity olon-dratsy ity, ary natao andrimaso tao anatin’izany.
Stan R.




