KolontsainaSongadim-baovao
RAIAMANDRENY SAKALAVA: Hanatanteraka “LOHAVOGNY” ny 19 sy 20 Jona 2025 izao
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanomanana ny fahatongavan’ny Kabeson’ny Ampanjaka Toera, amin’ny volana Aogositra izao, ankehitriny ireo Raiamandreny sy olobe ao Sakalava. Ny 19 sy 20 Jona 2025 izao, dia fantatra fa hanatanteraka Lohavogny ao Menabe, ireo Raiamandreny Taranaky ny Printsy Kamamy any Belo Amoron’i Tsiribihina, izay hotronin’ireo Raiamandreny Sakalava manerana ny Nosy. Nandritra ny tafa nifanaovan’ireo Raiamandreny Sakalava tamin’ny mpanao gazety omaly, no nanazavan’izy ireo fa midika firosoana any amin’ny fikarakarana ny fahatongavan’ny Kabeson’ny Ampanjaka Toera ny fanaovana io Lohavogny io, ka manohana tanteraka ny fanatanterahana izany izy ireo.
“ Mirary ny hahavitan’izany Lohavogny izany izahay. Eny, raha misy eritreritra, satria efa azo atao izany, ny hananganana Mpanjakan’i Menabe mandritra io Lohavogny io dia tena tsara, ary tena hankasitrahanay indrindra”, hoy Félice Adolphe, Filoha Nasionalin’ny VSMM.
Tao anatin’ny fanambarana nataon’izy ireo omaly moa no nisaoran’izy ireo ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sy ny Governemanta amin’ny fanatanterahana ny fampodiana an-tanindrazana ny Kabeson’ny Ampanjaka Toera. Eo koa ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Belo ambonin’i Tsiribihina, Saory Christian, izay isan’ny lohalaharana amin’ny fikarakarana io fampodiana ny kabeson’ny Ampanjakana Toera io. Ity olom-boafidy ity izay miray feo tanteraka ihany koa tamin’ireo nanao ny fanambarana omaly.
Ny Raiamandreny Ampanjaka Toera moa, raha tsiahivina, dia notapahin-doha ny taona 1987 rehefa tsy nanaiky ny hanaovana sonia ny taratasy fanjanahantany an’i Madagasikara.
Randriah.




