Songadim-baovaoSosialy
FANKALAZANA TSINGERINTAONA TENY AMBOHIMALAZA: Famosaviana no niseho, 5 voasambotra, tafakatra 18 ireo maty
Manoloana ny voina noho ny resaka fahapoizinana ara-tsakafo niseho tamina fankalazana tsingerintaona teny Ambohimalaza ny sabotsy lasa teo. Voamarina taorian’ny valin’ny fitiliana fa famosaviana no niseho tamin’ireo olona namoy ny ainy. Nambaran’ny minisitra delege misahana ny Zandarimariam-pirenena, ny Jly Andry Rakotondrazaka, fa tafakatra dimy ireo voasambotra, omaly. Tafakatra 18 kosa, ireo namoy ny ainy. Mitohy ny fanadihadiana sy famotorana lalina…
Nanatanteraka valandresaka ho an’ny mpanao gazety ireo mpikambana ao amin’ny governemanta, mombany resaka fanapoizinana ara-tsakafo, niseho tamin’ny fankalazana ny tsingerintaona teny Ambohimalaza, ny sabotsy lasa teo. Nambaran’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Pr Zely Randriamanantany fa « tena famosaviana, izay fanapoizinana ara-tsakafo. Fantatra fa ilay « donut » no nanaovana ilay famosaviana. Nanaovana fanandramana tamina totozy telo ilay « donut ». Vantany vao avy nihinana ilay »donut » ireo totozy telo, dia maty nitsipaka avy hatrany. Voamarina, araka izany, fa tena famosaviana no niseho, ka nahafatesana ireo olona miisa 18, izay nanatrika ilay fety natao teny amin’ny toeram-pilanonana iray teny Ambohimalaza. Mitohy ny fanadihadiana sy ny fitiliana, amin’izao fotoana izao, ary efa nalefa any amin’ny laboratoara, hanamarinana ny akora nampiasain’ireo tsy mataho-tody. Vantany vao fantatry ny minisiteran’ny Fahasalamana fa famosaviana tamin’ny alalan’ny sakafo, dia natao nifandraika tamin’ny alalan’izay koa ny fitsaboana ireo marary, niharan’ity fanapoizinana ara-tsakafo ity. Vokany, efa nahatratra fito ireo marary no nandeha nody. Raisin’ny Fanjakana 100% an-tanana ny fitsaboana ireo marary ireo. Tanjona ny hanavotana ny ain’ireo olona nianjadian’ity famosaviana ity, raha ny fanazavan’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka hatrany. Nentanina kosa ny rehetra izay nanatrika ilay lanonana, mba hanatona toeram-pitsaboana na dia tsy misy soratr’aretina aza.
Dimy ireo olona nosamborina…
Nambaran’ny minisitra delege misahana ny Zandarimaria, ny Jly Andry Rakotondrazaka fa « enjehin’ny lalàna fahamaizana ny resaka famosaviana satria tena vono olona. Efa misy ny olona voasambotra, izay mahatratra dimy izy ireo. Mandeha dia mandeha ny famotorana amin’izao fotoana izao ». Tsy maintsy fantarina ny marina, hoy izy, ary tsy ho ela fa tsy maintsy anaovana filazana an-gazety tahaka izao, ny valin’ny famotorana. « Hararaotiko eto, raha misy olona manana zavatra holazaina, dia afaka manatona ao amin’ny Toby Ratsimandrava izy ireo, fa ao ny Foibem-piasan’ireo mpanao famotorana. Mampisavorovoro ny saim-bahoaka ny tsy fahafantarana ny marina. Izay no antony nanomezan’ny Filoha toromarika manokana, ny hanafainganana ny famotorana sahala izao », hoy hatrany ny minisitra delege misahana ny Zandarimariam-pirenena. Nentaniny ny vahoaka malagasy, mba tsy ho voarebireby fa tena famosaviana ankitsirano no nataon’olona, izay voafaritra ao anatin’ny didy aman-dalàna.
Tsy handefitra ny Fampanoavana
Nilaza ny avy ao amin’ny Fampanoavana fa tsy handefitra velively, momba ity raharaha ity, ary tsy hanaiky velively ny hanomezana fahafahana vonjimaika ho an’ireo izay mitady mahakasika izany, indrindra ho an’ireo izay voarohirohy. Nanamafy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mara Volamiranty Donna, ny amin’ny tokony hamoahana ny vaovao marina. Nisaorany ireo mpanao gazety, namoaka ny antontanisa marina, satria aina no resaka. Nanao antso avo ireo izay manana vaovao marim-pototra momba ity famosaviana ity, izy mba hiara-kisalahy hitadiavana ny tena marina.
Pierre M.




