Songadim-baovao

FIAROVAM-PIRENENA: Manakaiky vahoaka ny Tafika ho amin’ny Fandriampahalemana

Nitarika fivoriana voalohany, niaraka tamin’ny mpiara-miasa aminy, omaly ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, taorian’ireny fihibohana noho ny krizy ara-pahasalamana. Tanjona ny fanakaikezana vahoaka ho fampanjariana ny fahalemana…

Ny minisitry ny Fiarovam-pirenena nitarika ny fivoriana.

Taorian’ny fihibohana vokatry ny “Hamehana ara-pahasalamana”, nanatanteraka fivoriana voalohany ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotonirina Richard niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy akaiky, nahitana ny Sekretera jeneraly, ny Talen’ny kabinetra, ireo Tale jeneraly sy ireo Tale rehetra, omaly. Ho fanamaivanana ny fiantraikan’ny valanaretina coronavirus, izay mifanaraka amin’ny drafi-panarenana natolotry ny Filohan’ny Repoblika, dia nodinihina teny amin’ny Fitalean’ny Fanompoam-pirenena sy ny fiandry omaly, teo ambany fitarihan’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny mety ho endriky ny tetikasa hahafaha-manmpy ny vahoaka.

Tanjona napetraka ny fanakaikezana vahoaka ho fampanjariana ny fandriampahalemana maharitra, hahafaha-miompana bebe kokoa amin’ny fihariana, izay hivoy ny fampandrosoana. Velirano voalohany napetraky ny Filoham-pirenena rahateo, ny lafiny fandriampahalemana. Efa napetraka teo anivon’ny Tafika malagasy, ny fanovan-drafitra sy drafi-panovana. Efa andalana rahateo ny « Forces Essentielles Minimales », izay mety ho endriky ny Tafika amin’ny taona 2023. Azo antoka, araka izany, ny hahafahan’ny Tafika maro vahoaka, amin’ny alalan’ny fifanakaikezana, hanajariana ny fifampitokisana, ahafaha-miroso amin’ny tena fampandrosoana.

Fermer