Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
POTIKA TANTERAKA NY VATANY: Lehilahy iray voahitsaky ny lamasinina tao Manjakandriana
Lehilahy iray no namoy ny ainy voahitsaky ny fiaran-dalamby manandrify ny Total, fokontany Manankasikely, kaominina ambonivohitra Manjakandriana, ny alatsinainy lasa teo, tokony ho tamin’ny 9 ora alina. Fiaran-dalamby avy Antananarivo ho any Toamasina no nahavoahitsaka ity olona ity. Eo amin’io toerana io moa dia milahatra ny lalamby sy ny lalam-pirenena ka raha sendra nijanona teo amin’ny sisin-dalana ny fiara niarahan’ity olona ity, dia naka sisiny teo ambony lalamby izy, mba hiantso olona amin’ny finday. Araka ny voalazan’ireo nanatri-maso, dia tsy naheno mihitsy ity Ranamana ity na dia nampaneno anjomara lavareny aza ny mpanamory fiaran-dalamby, izay efa niezaka nanery ny hisatra. Ny lalana rahateo ivezivezen’ireo fiara lehibe mamoaka feo ambony be. Efa akaiky loatra vao nahita ny loza izy, ka tsy hitany hatramin’ny lalana alehany.
Vokany, tsy afa-niala intsony izy nahafaha-nidify ilay loza. Ny lohamasinina rahateo dia tsy afaka mijanona eo no ho eo. Potika tanteraka ny vatany. Tapatapaka nodiavin’ny kodiarana vy ny tenany. Mafy ny loza nihatra, ka maty tsy tra-drano izy. Nantsoina avy hatrany ny Polisy_manokana misahana ny fifamoivoizana an-dalamby, izay hisahana ny famotorana manoloana ity voina nihatra. Ny zandarimaria dia manentana foana ny olon-drehetra, fa ny fijanonana na fandalovana eo amin’ny lalamby dia ilaina fahamailoana tanteraka. Voarara mihitsy, araka izany, ny mijanona ambony lalamby. Tsy mitsahatra ny manentana sy mamerimberina, fa ny fiaran-dalamby dia tsy afaka hijanona tampoka toy ny fiara tsotra.
Pierre M.




