Songadim-baovaoToekarenaTrangam-piaraha-monina
HALATRA SOLIKA AO AMIN’NY JIRAMA : Solika 18 kamiao nanjavona tao anatin’ny roa volana
Nandritra ny tafa mivantana nataon’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, tao amin’ny fahitalavi-panjakana, omaly alina, no namakiany bantsilana ny halatra solika ao amin’ny Jirama. Nasongadiny fa solika 18 kamiao nanjavona tao anatin’ny roa volana, izay tokony ho namatsiana ny tany Mahajanga. Nametraka fanamby kosa ny tenany, ny hanafoana ny delestazy mialoha ny farany taona eto Antananarivo…
Namaky bantsilana ireo halatra solika ao amin’ny orinasa Jirama, ny Filoha Andry Rajoelina, nandritra ny tafa nataony tamin’ny vahoaka malagasy, tao amin’ny fahitalavi-panjakana, omaly alina. Misy ny halatra tratra mikasika ny famatsiana solika mavesatra fampiasan’ny Jirama, rehefa nampanaovina fanarahamaso. Misy tsy fitoviana ny solika mavesatra miainga avy any Toamasina sy ny tonga ao Mahajanga. Nambara fa nisy ny sivy kamiao, ny volana avrily lasa teo nanjavona raha tokony ho naterina tany Mahajanga. Tsy mifanaraka ny nampiasaina sy ny nafarana. Mbola nisy valo kamiao koa very, tamin’ny volana mey lasa teo. « Raha tonga araka ny tokony ho izy ireo, tsy misy ny delestazy, tao Mahajanga. Voamarina fa halatra bevata no niseho, amin’ny resaka famatsiana solika mavesatra eo anivon’ny Jirama.
Hentitra ny Filoha nanambara fa tsy maintsy hotratrarina daholo ireo mpikambana anaty tambazotra io satria an-tapitrisany dolara no voahodinkodina. Misy ny porofo hita, ka tsy hanaiky ny Filoha fa iharan’ny sazy avokoa, izay voasaringotra amin’io. « Ampy izay ny fampijaliana vahoaka, ampy izay ny fangalarana », hoy izy nanamafy. Lasa takalonaina ny vahoaka malagasy. Voalaza fa 53 kamiao ny 30 m3 miala avy any Toamasina, tamin’ny volana avrily ho any Mahajanga, fa 43 kamiao no tonga any an-toerana. Nampitaina fa nihoatra ny solika, nefa mihamafy noho ny tamin’ny herintaona aza ny delestazy, izay tsy lojika. Tratra tahaka io koa ny any Antsiranana, Mahajanga, Antananarivo. Na izany aza, ho ampitomboina ny solika, mba hampihenana ny delestazy, saingy hisy koa ny fanarahamaso hentitra, mba hanafoanana ny delestazy.
Misy ny simba sy ny tokony hohavaozina
Anisan’ny mampikaikaika ny vahoaka ankehitriny ny fisiana delestazy lavareny. Nitondra fanazavana hatrany ny Filoha Andry Rajoelina. Ho an’Antananarivo, dia nisy ny fahasimbana « Transfo » eny Anosizato. Io no mahatonga ny delestazy be mampiferotraina amin’izao io. Ny vahaolana, efa nisy nametrahana « sous-station » eny Soavina Atsimondrano. Nanome toromarika, araka izany, ny Filoha fa tsy maintsy vitaina mialoha ny fetin’ny 26 jona ilay simba. Tsy niolaka izy nanazava, ny resaka lafiny ara-teknika, ka isan’izany ny fahanteran’ny fotodrafitrasa, izay efa ela no tsy nisy fanamboarana teto hatramin’zay, ireo « sous – station ». Nasongadiny fa izao isika vao hanavao tanteraka.
Ho enti-miatrika ny famahana ny olan’ny delestazy io, dia efa misy ny vahaolan’ny Fitondram-panjakana, toy ny fametrahana ny « Parc solaire » Ambatomirahavavy, izay ho vita amin’ny farany volana jona na fiandohan’ny volana jolay hoavy io, izay hanampy ny herinaratra ho an’ny tambazotra iraisan’Antananarivo. 80% ny asa no efa vita amin’izao. 1,5MW no vokatra amin’izao dingana voalohany izao. Mbola hihitatra hatrany amin’ny 3 ka hatramin’ny 5 MW io. Tanjona ny hahafahana manena ny solika ampiasain’ny JIRAMA. Tsy Ambatomirahavavy ihany fa Ambohidrano Ilafy sy Lac Iarivo koa efa andalana. Mandeha iray manontolo amin’ny RIA io vokatra Ambatomirahavavy io. Tsy nohadinoin’ny Filoha koa ny fitondrana vahaolana marolafy, ary fanambiny ny hahazoana 200 MW, izay tsy maintsy tafapetraka amin’ny herintaona tahaka izao. Ho an’ny « Parcs solaires » eto Antananarivo, dia hametrahana 30 Mw hatramin’ny tapaky ny volana septambra ary hanao fampiasam-bola ny Fanjakana ny hahazoana 100MW amin’ny faran’ny taona izao.
Pierre M.




