Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

LEHILAHY KAROHINA : Nangalatra vola 30 Tapitrisa Ariary an’ny mpampiasa azy

Lehilahy iray no karohin’ny Polisim-pirenena amin’izao fotoana, noho ny fandosirana vokatry ny asa ratsy nataony. Ity farany, izay nambara fa nivadi-pitokisana tamin’ny mpampiasa azy, satria naka volabe mitentina 30 tapitrisa Ariary tamin’io mpampiasa azy io, ary tsy mbola hita popoka hatramin’izao. Mpiambina tao amina hotely iray teny Isoraka no asan’io lehilahy io farany. Iangaviana araka izany, izay mahita na mahalala ity lehilahy ity mba hampilaza ny Polisim-pirenena amin’ny laharana 034 05 998 27, sy ny 034 05 998 28. Raha ny momba azy dia teraka ny 31 Mey 2000, tany Andriambilany Ambatolampy. Resaka halatra tamin’ny mpampiasa azy, araka izany, no hikarohana azy io amin’izao fotoana. Toerana nahitana azy farany, tao Andafiatsimo Tanjombato. Manome toky hatrany ny Polisim-pirenena fa hotanana tsiambaratelo tanteraka ny mombamomba izay olona manome vaovao amina fikarohana tahak’itony. Ny anton’izao fiaraha-mientana fikarohana izao ihany koa, dia fantatra, fa mba ho fametrahana ny fahamarinana sy ny rariny, izay iantsoan’ny Polisim-pirenena ny rehetra.

S.R

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer