PolitikaSongadim-baovao
ANTSAM-PIDERANA TETSY MAHAMASINA: Vahoaka maro niara-niombom-bavaka ho an’ny firenena
Nafana tanteraka ny fiarahana tamin’ireo mpanakanto ara-pilazantsara maro omaly tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina nandritra ilay hetsika “Antsam-piderana ho an’ny firenena” izay tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara sy nijoroan’ny Foloalindahy Malagasy. Mpanakanto sy tarika ara-pilazantsara malagasy maro no nifampizara sehatra niaraka tamin’i Dena Mwana, mpihira avy ao Congo, tao anatin’ny hetsika omaly. Nandritra izany dia nisy iray minitra fahanginana ho an’ireo namoy ny ainy vokatry ny fanapoizinana ara-tsakafo nitranga ny faran’ny herinandro teo nandritra ny fampisehoana. Nifandimby nihira sy niaraka nanafana ny lanonana tamin’i Dena Mwana ireo tarika sy mpanakanto evanjelika fanta-daza toa an’i “Ny Mpitory”, Joseph D’Af, TGC, Jaws Band, Pepe Shine na koa i Joyca Revival Messenger.
Nandravaka ny lanonana ihany koa ny fisiana afomanga sy « drones » nandritra izany. Nanatrika ny seho manontolo ny Filohan’ny Repoblika sy ny zanany, ary ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta sy ny tompon’andraiki-panjakana samihafa. Nisaotra manokana ireo rehetra tonga niombom-po sy niaraka nitondra am-bavaka ny firenena tao amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina.
Hitohy eny amin’ny « Lac Iarivo » ny 25 jona 2025 moa ny fanamarihana izany tsingerin-taona niverenan’ny fahaleovantena izany amin’ny alalan’ny afomanga goavana sy ireo seho « drônes » miavaka.



