Songadim-baovaoSosialy
AMBOHIBORONA AMBATOFOTSY FARATSIHO : Nandray ny hetsika famorana faobe sy Tagnamaro
Ny kaominina Ambohiborona Ambatofotsy no namaranana ny hetsika didimpoitra faobe natao tany amin’ny disitrikan’i Faratsiho. Nandritra ny 2 volana dia nitety ireo kaominina 7 amin’ny 9 ao anatin’ny distrika ny Loholon’i Madagasikara, Lalatiana Rakotondrazafy sy ny Mpiara-miasa aminy nikarakara ny hetsika maimaimpoana nanampiana ny Ray aman-dReny manan-janaka lahikely mila natao hasoavana. Ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy izay velom-pisaorana ny ekipan’ny fahasalamana tarihin’ny « médecin inspecteur », izay nanome tanana tamin’ny fanaovana izao hetsika izao. Teo koa ny avy eo anivon’ny distrika notarihin’ny lefitry lehiben’ny disitrika, ireo ben’ny tanàna 7 mirahalahy mpiara-miasa akaiky amin-dRamatoa Loholona.
« Tsy hita izay teny hahalaza ny halehiben’ny fisaorana atolotra azy rehetra ireo sy izay rehetra nifanome tanana nahavitana ity hetsika ity izay sambany no nisy tao amin’ny disitrikanay », hoy ny nambarany. Tsy nohadinoany koa moa ny nisaotra manokana ny fikambanana ZAKAAF (Zanaka Ampielezan’Ambohiborona Ambatofotsy Faratsiho) izay nifanotrona tany an-toerana ny faran’ny herinandro teo, ary mbola nanolotra biscuits sy bonbons ho an’ny ankizilahy kely vita didimpoitra.
Biraon’ny Kaominina
Nandritra ny hetsika didimpoitra faobe ny faran’ny herinandro teo no nanaovana Tagnamaro ihany koa ny Biraon’ny Kaominina Ambohiborona Ambatofotsy Faratsiho. Ity farany izay tsy mba ampy fikojakojana hatrizay an-taonany maro nisiany izay ka dia ratsy, antitra ary mahamenatra tsy mba nisy fanarenana sy fanavaozana mihitsy.
Nohararaotina, araka izany, ny fahavorian’ny vahoaka nandritra ny hetsika didimpoitra faobe maimaimpoana, ka nanaovana Tagnamaro ny nanatsarana izany Biraon’ny kaominina izany. “Dia nahariva andro mihitsy izahay rehetra teo, tsy namelanay raha tsy vita tsara ny asa, ary nahafinaritra ny nahita ny fiaraha-mientan’ny vahoaka nanome tanana maro be nahazoana vokatra haingana sady azo tsapain-tanana. Azo atao « avant/après » tsara ny sary satria tena hita tao anatin’ny andro 1 monja ny fiovan’endrik’ity lapan’ny tanananay ity”, hoy ny fanehoan-kevitry ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy.



