Songadim-baovaoSosialy
CEPE- ANTANANARIVO RENIVOHITRA : Niakatra 85,91% ny taham-pahafahana
Omaly hariva no nivoaka ny valim-panadinana CEPE (Certificat d’Etudes Primaires Elémentaires) ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo renivohitra. 85,91% ny taham-pahafahana ho an’io CISCO eto an-drenivohitra io. Nahitana fiakarany maivana izany raha mitaha amin’ny voka-panadinana nandritra ny fanadinana CEPE tamin’ny taona 2024. Raha tsiahivina dia 83,89% ny taham-pahafahana CEPE tamin’io fotoana io.
Efa samy namoaka ny voka-panadinany avokoa, araka izany, ireo CISCO rehetra mandrafitra ny DREN Analamanga. Tsara amin’ny ankapobeny voka-panadinana. Nahitana ny taham-pahafahana ambony indrindra eto amin’ny DREN Analamanga ny tao Antananarivo Avaradrano (94,08%). Manaraka azy Andramasina (93,84%), Antananarivo Atsimondrano (90,86%), Manjakandriana (88,83%), Anjozorobe (87,33%), Ambohidratrimo (87,32%), ary Ankazobe (84,87%).
Nandritra ny fijerena io valim-panadinana CEPE ho an’ny teto Antananarivo renivohitra io moa dia nitaraina ho tsy tafiditra tao amin’ny tranokala azo nanatanterahana izany ireo Ray aman-dReny maro. Nisy tsy fahatomombanana nandritra ny fotoana fohy ny fahafahana mijery valim-panadinana tamin’ny aterineto noho ny fahamaroan’ireo olona nikirakira izany. Ankoatra ny aterineto, misy ny fomba hafa hahafahana mamantatra ny valim-panadinana toy ny fanaovana antso, fandefasana someso, fandefasana hafatra miafina, ary ny fijerena valim-panadinana.
S.S




