
PolitikaSongadim-baovao
25 JONA ENY AMIN’NY « LAC IARIVO »: Hianoka anaty hetsika tsy manam-paharoa ny vahoaka
Araka ny efa nambaran’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, dia eny amin’ny “Lac Iarivo” ny ho atao ny lanonana ny harivan’ny 25 jona, izay isan’ny hetsika lehibe ankalazana ny faha 65 taona niverenan’ny fahaleovantena. Amin’izao ankatoky ny fotoana nifanomezana izao, dia manome toky ireo mpikarakara, araka ny toromarika nomen’ny Filoha, fa hianoka anaty lanonana tsy manam-paharoa ny vahoaka. Efa mipetrapetraka avokoa ireo fiomanana entina ankalazana amin’ny fomba manetriketrika sy miavaka izany, ny harivan’ny 25 jona. Zava-baovao ho an’ny mponin’Antananarivo amin’izao faha 65 taonan’ny fankalazana ny niverenan’ny fahaleovantena izao ny “spectacle de jets d’eau”. Raha ny fanazavan’i Robin Randrianiriana, mpandrindra ny hetsika, efa ny 95% ny asa fametrahana ilay “jets d’eau” no vita. Ny 5% sisa dia atao ho an’ny fanaovana ny andrana sy ny fitsirihana, izay pitsopitsony mila mbola ahitsy. Teknisianina malagasy sy Sinoa no mifarimbona amin’ny fametrahana sy ny fanatontosana an’ity “spectacle de jets d’eau” ity.
70m ny haavon’ny rano…
Arahina mozika sy seho ana jiro koa mandravaka ny karazana dihy mirindra, izay ho amin’ny alalan’ity “jets d’eau” ity. Raha ny andrana natao ny tolakandro teo, dia ho mirindra tsara ny fidolan’ny mozika sy ilay “jets d’eau”. Tody alavitra ihany koa ny feo. Tsy atahorana hoe tsy ahita ilay hetsika koa, ireo izay mety tsy hahazo toerana eny aloha, na amin’ny avo toerana, satria dia mahatratra hatrany amin’ny 70m ny haavon’ny rano avoakan’ilay “jets d’eau”. Marihina fa tsy hanohintohina ny famatsiana herinaratra ity hetsika ity, satria dia “groupe electrogene” no mamatsy ny herinaratra eny an-toerana. Tsy atahorana hisy fahatapahana koa ny hetsika, araka izany. Ankoatra ny “spectacle de jets d’eau”, dia hisy hatrany ny afomanga, izay andravaka sy hanazava ny harivan’ny 25 jona. Raha ny fandaharam-potoana, dia hifandimby ny fandefasana ny afomanga sy ny “spectacle de jets d’eau”. Tahaka ny seho ara-pilazantsara ho fangataham-pitahiana ho an’ny firenena ny alahady teo, teny amin’ny Kianja Barea, Mahamasina, dia hisy seho ana “drones”, koa eny amin’ny “Lac Iarivo”, ny harivan’ny 25 jona.
Rado Harivelo



