Songadim-baovaoToekarena

SEHATRY NY FANDRAHARAHANA : Vonona hiara-hiasa amin’i Madagasikara i Egytpe

Anisan’ireo firenena liana sy vonona hiara-hiasa amin’i Madagasikara ny Repoblika Arabon’ny Egypta, izay tonga eto amintsika, amin’ny alalan’ny delegasiona sy ireo mpandraharaha maro. Nihaona tamin’ny tomponandraikitra sy mpisehatra malagasy izy ireo, omaly , nandritra ilay « Business Forum » tetsy Anosy. Ny tanjona dia ny fifampizaràna traikefa sy fahalalana amin’ny sehatry ny fitaterana sy fotodrafitr’asa lehibe manerana an’i Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy, ny fitaterana an-dalamby, an’habakabaka, ary indrindra ny fanatsarana ny tambajotram-pifamoivoizana an-tanety. Teo ihany koa ny fihaonana tamin’ny sehatra tsy miankina malagasy, nitodika tamin’ireo tetik’asa manan-danja ho an’ny firenena.

Araka ny fanazavana dia manana seranan-tsambo sy fotodrafitr’asa maro hafa sahaza ho amboarina i Madagasikara, ka i Egypta dia efa naneho fahavononana feno hanatevin-daharana amin’izany fiaraha-miasa izany. Efa nasehon’ireo delegasiona avy any Egypta ny fahalianany amin’ireo sehatra sy tetik’asa maro, ka anisan’ny tanjona ny hamorona modely “gagnant-gagnant” ahitana tombony ho an’ny roa tonta, sady ho tombontsoan’i Madagasikara indrindra.

Napetraka amin’izao fiaraha-miasa izao ny sehatra B2B (Business to Business), ho an’ireo mpandraharaha malagasy sy egyptiana. Izany no ampahany amin’ny vinan’ny fitondram-panjakana sy ny Economic Development Board of Madagascar amin’ny fanamorana ny fidiran’ireo tetik’asa, amin’ny alalan’ny famoronana tontolo manohana sy mandrisika ny fampiasam-bola eto amin’ny firenena.

Tsiahivina fa anisan’ny laharam-pahamehana napetraky ny Fitondram-panjakana ankehitriny moa ny fitadiavana mpiara-miombon’antoka sy mpamatsy vola avy any ivelany ho fanohanana sy fanatanterahana ny tetikasa fotodrafitrasa eto amin’ny firenena.

Nangonin’i LR.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer