PolitikaSongadim-baovao

FAHA-65 TAONAN’NY FAHALEOVANTENA SY FIJOROAN’NY FOLOALINDAHY : Napetraka eny Analakely ny tsangambato fahatsiarovana

Eny amin’ny zaridainan’ny araben’ny fahaleovantena Analakely no nosafidiana nametrahana ny tsangambato fahatsiarovana, ho fanamarihana ny faha-65 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara sy nijoroan’ny Foloalindahy malagasy. Omaly no nanatanterahana ny lanonana ho fitokanana io tsangambato io. Kisarisary maneho fifanomezan-tanana avy amin’ny tsirairay izay maneho ny fitiavan-tanindrazana no hita amin’ny tsangambato. Mifandraika amin’izany indrindra no nanamafisan’ny Jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin, Minisitry ny Foloalindahy, ny fanentanana mba samy handray ny andraikitra manandrify azy ho mariky ny fitiavan-tanindrazana ny tsirairay, ary tompon’antoka voalohany amin’izany ny hery fiarovana sy filaminana izay miaro ny vahoaka sy ny andrimpanjakana mijoro. Zava-dehibe ihany koa ny fametrahana ny tsangambato eo amin’io toerana io satria mirakitra ny tantara, manome lanja ny fahaleovantenan’i Madagasikara ary mamelona fahatsiarovana maro satria ny araben’ny fahaleovantena no fahatsiarovana mitoetra mitahiry ny fankalazana ny fetim-pirenena sy nanaovana ny matson’ny 26 jona tany aloha. Ankoatra ireo Minisitra 3 mirahalahy voakasika mivantana tamin’io hetsika io dia anisan’ireo tonga naneho firaisankina teny an-toerana ihany koa ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Marson Moustapha Abdullah, miaraka amin’ireo mpikambana maro hafa ao amin’ny Governemanta. Notronin’ireo lehibena Andrim-panjakana hafa sy ny Ben’ny Tanànan’Antananrivo renivohitra Harilala Ramanantsoa.

 

S.S

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer