Songadim-baovaoToekarena
FAMATSIANA SOLIKA: Mihoatra ny 104,5 tapitrisa litatra ny tahiry manerana ny Nosy
Mazava ny fanambarana nataon’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Jean-Baptiste Olivier, nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety natao tao Ampandrianomby, afakomaly. Nohazavainy fa manana tahirin-tsolika mihoatra ny 104,5 tapitrisa litatra isika manerana ny Nosy, ka 73,1 tapitrisa litatra, ny gazoala ao amin’ny Tobim-pitahirizana ao Toamasina. Gazoala 30 tapitrisa litatra no tahiry amin’ireo toby manerana ny Faritra rehetra hafa. Ho an’ny lasantsy indray, dia 23 tapitrisa litatra no tahiry manerana ny Nosy, ka ny 15,9 tapitrisa litatra, dia ao amin’ny tobim-pitahirizana ao Toamasina, ary 6,6 tapitrisa litatra amin’ireo toby hafa manerana ny Nosy. Misy koa ny solika, izay eny an-dalana anaty sambo, fiarandalamby, ireo fiarabe (camions-citernes) mbola hiditra eny amin’ny tobin-tsolika tsirairay avy. Miakatra ny filàna noho ny fidirana amin’ny fety sy ny fotoan’ny fialan-tsasatra. Antony nahalany ny solika teny amin’ireo tobim-pintsinjarana sasantsatsany eto Antananarivo sy ny tany Ambositra ohatra, ny fisian’ny honohono niteraka fikorontanan-tsaina, ka nampirohotra ny mpanjifa maro nanao tahiry. Nampatsiahivina fa ny manao tahiry any an-trano, dia mety hitera-doza satria mora mirehitra sy solika.
Hafainganina ny fitaterana ny solika
Ampy tsara ny tahirin-tsolika eto amin’ny Firenena, ka mila hafainganina ny fitaterana azy miala ao Toamasina hiakatra eto Antananarivo sy ny any amin’ny Faritra hafa rehetra. Nisy, araka izany, ny fivoriana niarahan’ny Minisiteran’ny Angovo sy Akoranafo, ny OMH, ary ireo Kaompanian-tsolika tsy miankina, mba hanamafisana sy hanafainganana ny fampiakarana ny solika. Misy ny fiaraha-miasa avy amin’ny Zandarimariam-pirenena sy ireo kaompania misahana ny famatsiana solika eto Madagasikara, hanafainganana ny fitaterana. Teo koa ny fanokafana ny toby fitahirizana, na amin’ny andro fety aza. Marihina fa ny 12 Jona teo no tonga ny sambo nitatitra solika farany eto Madagasikara, ary eo anelanelan’ny faha-5 hatramin’ny 10 Jolay 2025 ny manaraka. Fepetra raisin’ny Fanjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo ny fisian’ny Zandary sy ny OMH manokatra lalana sy miahy ireo fiarabe mpitatitra solika. Fanampiana ny famatsiana ireo tobim-pitahirizana solika ao Fianarantsoa sy Manakara, amin’ny alalan’ny fiarabe miainga avy ao Toliara.
Nanterina hatrany fa tsy misy atahorana ny tahiry sy ny famatsiana araka izany. Ny « OQ Trading » avy any amin’ny Sultanat d’Oman no mpamatsy ireo orinasa mpanafatra sy mpitsinjara solika eto Madagasikara. Tsy mandalo ny “Détroit d’Ormuz” ny lalan’ny sambo ka tsy misy ahina ny fahatongavany eto amintsika, na eo ary ny disadisa misy eo amin’i Israël sy Iran. Eo amin’ny vidiny amin’ny tsena iraism-pirenena kosa, dia somary niakatra hatramin’ny 78$ teo ny vidin’ny « baril » nandritra ny andro vitsivitsy lasa, vokatr’io disadisa io. Efa mba nidina ho 68$ izany ankehitriny. Tsy hisy fiantraikany amin’ny vidin-tsolika eto amintsika izao io fiovaovana io ho an’ny volana Jolay.
Rado Harivelo




