Songadim-baovaoSosialy
FIRONGATRY NY FAHAPOIZINANA ARA-TSAKAFO: Hamafisina ny fitiliana ireo entana mandra-pahatonga eny amin’ny mpanjifa
Nirongatra tato anatin’ny herinandro vitsy izao ireo trangana fanapoizinana ara-tsakafo, niseho tamin’ny faritra maromaro manerana ny Nosy. Anisan’izany ny teto Antananarivo, Mahajanga, Toamasina, Amoron’i Mania, Vakinankaratra ary farany teo ny tany Toliara sy tany Ikongo. Ireo tranga rehetra ireo izay samy nahitana lasibatra namoizana ainy avokoa, raha toa ka mbola manaraka fitsaboana ny sasany.
Manoloana ireo, maro ny antony mety mahatonga ny loza, hoy ny nambaran’ny Minisitry ny fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra David Ralambofiringa, nandritra ny fivahinianany tao anatin’ny vaovao an-tsarin’ny televiziona malagasy omaly hariva. Nanazava ireo anjara andraikitra sy asa sahanin’ny Ministera eo amin’izany tontolon’ny varotra sy ny fanjifana izany ny tenany. Namarimparitra ireo fepetra noraisina ihany koa manoloana ny firongatry ny fanapoizinana ara-tsakafo misy tato ho ato. Araka izany, nohazavain’ny Minisitra fa efa niroso tamin’ny fitiliana ireo sakafo ahiana ho nitera-doza izy ireo. Iarahana amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ny fanatanterahana izany. Teo ihany koa ny fanagiazana ireo entana ahiana.
Mahakasika ny menaka
Miparitaka eny amin’ny tambazotran-tserasera fesiboky moa ankehitriny ny filazana fa ny marika menaka iray vokarina eto an-toerana no mitarika ireo fanapoizinana ara-tsakafo misy ireo. Misy andian’olona mivoy ny tsy tokony hanjifana io menaka io ao amin’ny fesiboky. Mandiso avy hatrany izany filazana izany ny Minisitra ka nanambara fa “tsy marina ny fitenenana fa tsy mahazo mihinana sy tsy mahazo mampiasa ny menaka Hina ny vahoaka malagasy”. Nohazavainy fa indostria lehibe indrindra mpamokatra menaka eto Madagasikara ny mpanamboatra io menaka io any Toamasina ary mamaly ny ampahany maro amin’ny filàna menaka manerana ny Nosy. Hafarana any ivelany ny akora fototra ilaina amin’ny fanamboarana io menaka io izay manaraka ny fenitra iraisam-pirenena, ary ny orinasa any Toamasina no miantoka ny fanodinana sy ny fanaparitahana azy eto an-toerana. Ao anatin’izany rojom-pamakorana izany dia maro ireo fitiliana ataon’ny tompon’andraikitra sy ny Fanjakana. Misy ny dingan’ny fitiliana atao eo am-pahatongavan’ny akora eto Madagasikara, ny fitiliana mandritra ny fanodinana, ary ny fitiliana mialoha ny hivoahan’ny vokatra ny toeram-pamokarany ka handehanany any amin’ny mpanjifa.
Ankilany, mahakasika ireo menaka “en vrac” kosa anefa dia nohamafisina nanomboka tamin’ny herinandro lasa teo ny fitiliana izany eny amin’ireo dingana rehetra lalovany mandra-pahatonga any amin’ny mpanjifa. Ambony kokoa mantsy ny ambana hahatonga ireo “menaka en vrac” sy menaka mandry tsy ho ara-pahasalamana satria maro ny fikirakirana atao aminy. Izany hoe tsy mihonina fotsiny ihany amin’ny fananan’ny orinasa mpamokatra taratasy fanamarinana fanjifana (certificate de consommabilité) ny Fitondram-panjakana fa manamafy antoka amin’ny alalan’ny fitiliana fa tena azon’ny mpanifa atao tokoa ny manjifa ny vokatra taorian’ireo dingana fitsinjarana maro nolalovana. Tsy ny menaka ihany fa hanamafisina izany fitiliana sy fitsirihana izany avokoa ireo entana rehetra mety ahiana.
Ankoatra ireo, andraikitra iaraha-manana, hoy ny Minisitra, ny fisorohana amin’ny trangana fanapoizinina ara-tsakafo. Noho izany dia nanentana ny olona rehetra mba ho malina amin’ny fisafidianana ny toerana hividianana sakafo ny tenany. Fepetra noraisina ihany koa ny fanamafisana fiaraha-miasa amin’ireo vondron’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Rahampitso sabotsy dia hisy ny fidinana ifotony iarahan’ny Ministera sy ny mpiaro ny zon’ny mpanifa any amin’ny indostria mpamokatra menaka any Toamasina. Tanjona ny hanamarinana ny zava-misy sy hanazavana ny saim-bahoaka mahakasika io famokarana menaka eto Madagasikara io.
Sarobidy Sidonie.



