PolitikaSongadim-baovao
DISTRIKAN’I TSIROANOMANDIDY : Mitohy ny fiahiana ireo Kaominina ataon’ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy
Lanonana telo sosona goavana no natao tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Tsinjoarivo Imanga ny talata lasa teo nandritra ny fitsidihana nataon’ny Loholon’i Madagasikara, Lalatiana Rakotondrazafy, tany an-toerana, izay tafiditra ihany koa ao anatin’ny fanampiana ireo Ben’ny tanàna amin’ny maha mpiahy ny Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana azy. Isan’izany ny fizarana ireo kopia sora-piankohonana faobe ho an’ny zaza latsaky ny 18 taona, miisa 2.189 manerana ny kaominina, izay fiarahamiasa amin’ny Fikambanana Koloaina. Teo koa ny fizarana karatany faobe ho an’ny tokantrano anjatony izay misitraka ity fandaharanasam-panjakana ity, nampian’ny OIF tohana ihany koa. Ary farany, ny fanokafana ny tsenabe « Fandrosoana 2025 » ampirantian’ny tantsaha manerana ny Kaominina ny vokatr’izy ireo, sy ireo orinasa miorina ato amin’ny kaominina ka mitrandraka ny vokatry ny tany aty tahaka ny « lecofarm » izay manana ny lazany maneran-tany amin’ny fanondranana legioma.
« Mankasitraka ny Ben’ny tananan’i Tsinjoarivo Imanga sy ireo mpanolotsaina kaominaly, fa izy ireo no angady nananana sy vy nahitana ireo vokatra goavana ireo. Avy amin’ny Antoko FREEDOM moa izy, ary mendrika tosika sy fanohanana noho ny fahavitrihana hiasa ho an’ny vahoaka, ny fahavononany ary ny finiavany hitondra fampivoarana izany kaominina iadidiany izany », hoy ny fanazavan’ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy. Marihina fa nanotrona ny fotoana koa ny Solombavambahoakan’i Tsiroanomandidy.
Fanamiana ho an’ny « Quartier Mobile »
Nandritra ny fandalovana tany amin’ny Kaominina Tsinjoarivo Imanga hatrany dia nisy ny fanolorana fanamiana ho an’ireo mpisehatra « quartier mobile », ho famaliana ny fangatahan’ny ben’ny tanana. Mpisehatra tena manampy amin’ny fandaminana ny tanàna sy ny fampandriana fahalemana ny tanàna ny « quartier mobile » ary mpiara-miasa amin’ny mpitandro filaminana. Mila tohanana ihany koa izy ireo amin’ny fanatanterahana ny asany, izay tena ilain’ny fokonolona amin’ny fiainany andavanandro mihitsy, hoy ny fanazavana. Tsara ho fantatra fa 50 no isan’ny QM ao amin’ny kaominina Tsinjoarivo Imanga, izay notolorana ireo fanamiana ny talata teo, nandritra ny lanonana natrehin’ny vahoaka.
Fitokanana Lapan’ny Tanàna
Taorian’izay dia nitsidika ny Kaominina Belobaka Tsiroanomandidy ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy. Nisy ny fitokanana ny Lapan’ny tanàna izay asa vita nanomezan-tanana sy niaraha-niasa tamin’ny Ben’ny tanàna, izay lany tamin’ny anaran’ny Antoko Freedom. Ankoatra ireo birao isan-karazany iasan’ny Ben’ny tanàna, ny lefiny, ny sekretera jeneraliny sy ireo mpanolotsaina dia manana birao ao amin’ity Lapan’ny tanana vaovao ity koa ny delegem-panjakana any an-toerana. Ary misy efitrano malalaka fandraisana sy fanaovana sora-panambadiana ihany koa.
Ankoatra ny Lapan’ny tanàna dia zava-bita notokanana koa ny seha-pilanonana (podium) ho an’ny vahoaka, mifanila aminy.
Nandritra ny fandalovana tany an-toerana moa dia nisy ihany koa ny fanolorana fanamiana ho an’ireo vatan-dehilahy “Quartier mobile” miisa 70 ao amin’ny kaominina ambanivohitra Belobaka Tsiroanomandidy. Marihina fa faritra mena tamin’ny asan-dahalo iny Kaominina iny ao anatin’ny faritra Bongolava teo aloha, efa voafehy ny fandriam-pahalemana ankehitriny ary mitana anjara toerana lehibe amin’izany ireo « quartier mobile » izay mpiara-miasa amin’ny mpitandro filaminana rahateo, ka mendrika hotohanana sy hampaherezina amin’ny asan’izy ireo, hoy hatrany ny fanazavana.




