PolitikaSongadim-baovao

LALATIANA RAKOTONDRAZAFY: Nampita hafatra mafonja ho an’ireo Mpikatroka Freedom ao Bongolava

Nisy ny fihaonamben’ny Antoko Freedom Sampana Bongolava ny talata lasa teo tao amin’ny Tranompokonolona Tsiroanomandidy, nanamarihana ny fanombohana taom-pikatrohana isam-paritra. Nitarika izany ny Filoha Nasionalin’ny Antoko Freedom, sady Loholon’i Madagasikara, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy. Ity farany izay nampita hafatra fito lehibe. Voalohany tamin’izany dia nambara fa Antoko tsy manana fahavalo ny Freedom, vonona hiaraka hiasa sy hifanome tanana amin’ireo ankolafin-kery politika rehetra manohana amin’ny fo madio ny Filohan’ny Repoblika sy ny fitondram-panjakana mijoro ankehitriny. Ny Filoha Andry Rajoelina no tokony hojerena koa manao antso avo mba tsy ny samy mpanohana indray no hifamingampingana satria tsy tombontsoa ho an’ny Filoha na ny fitondrana mihitsy ny fanilihana ireo izay manohana. Ilaina aza ny fanambarana ny hery sy ny firaisankina hanamafy orina ny fitondrana izay iaraha-manohana.

Nambara tamin’ireo mpikatroka koa fa mbola manohana feno ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ny Antoko Freedom ary te hanome toky azy fa mbola maro be ny malagasy ao an-damosiny sy mbola mino ny fitiavan-tanindrazana ananany, raha tsy hiresaka afatsy ny mpikambana Freedom rehetra manerana ny Nosy. Mankahery azy amin’ny asa fitadiavam-bahaolana manoloana ny zava-misy iainan’ny firenena ankehitriny. Ankoatra izay dia notsindriana fa mahasarotiny ny Freedom izay nandany rondoha nampandany an’Atoa Filoha Andry Rajoelina indroa miantoana, 2018 sy 2023 ny fitoraham-bato ny Filoha kanefa ny tompon’andraikitra hafa no tsy mandray ny andraikiny sy tsy maharaka « vitesse ». “Koa hamafisinay fa aminay dia tokony hakisaka izay tsy mahavita ny asany na manaonao foana fa lasa ny Filoha foana no voahenjika sy maloto”, hoy ny fanambarana.

Antsojay ara-politika

Nitaky ihany koa ny Antoko Freedom ny hanatsaharana ny henjikenjika sy antsojay ara-politika atao amin’ireo olom-boafidy Freedom na Ben’ny tanàna na mpanolotsainan’ny tanana ao amin’ny faritra Bongolava. Tokony ho avela hiasa malalaka izy ireo fa hikatsaka ny fampivoarana ny kaominina nahalany azy ireo no vaindohan-draharahany, araka ny tatitra. Ao anatin’izany indrindra no hanamafisana ny fitakiana ny fanafahana ny ben’ny tanànan’i Tsiroanomandidy Fihaonana izay niharan’ny fanenjehana ara-politika efa tamin’ny andron’ny tompon’andraikitra sasany tany aloha kanefa mbola tohizana hatramin’izao. Tsy mitombona ny fanenjehana azy ka takiana ny hisian’ny fitsarana tsy mitanila sy mahaleo tena tanteraka. Nomena toromarika ihany koa ireo Ben’ny tanàna Freedom fa mila miasa mafy amin’ny fanompoana ny vahoaka nifidy azy sy ny fanasoavana ny kaominina tantanany. Manome toky ny Antoko fa hanohana ireo Ben’ny tanàna miara-dia aminy ary hanampy azy ireo amin’ny ezaka izay ataony any amin’ny kaominina any. Mila misongadina amin’ny asa vitany sy ny fitantanany madio ireo ben’ny tanàna Freedom.

Antoko velona

Nambara nandritra ny fihaonana tao Tsiroanomandidy fa Antoko velona sy miaina ny Freedom, ary tokony tsy hipetrapetraka fa hiasa hatrany hanasoavana ny faritra misy ny ratsa-mangaikany avy. Sonia nahafantarana ny Antoko ny hetsika Tagnamaro, ka tokony hotohizana hatrany fa sady tsy andaniana vola aman-karena be nefa ahitana vokatra azo tsapain-tanana avy hatrany ho an’ny soa iombonana. “Farany dia mila mijoro, sahy, tsy matahotra ary resy lahatra tanteraka amin’ny fotokevitra politika ijoroany ny mpikatroka Freedom rehetra, ka tsy hihemotra na inona na inona sedra politika mety hisy fa Freedom indray andro, Freedom mandrakizay”, hoy ny hafatra nataon’ny Filoha Nasionalin’ny Antoko, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy. Ity farany izay nanamafy fa matanjaka sy manana ny maha-izy azy ny FREEDOM any Bongolava. Natolotra nandritra ny fotoana koa moa ny « mandat » ho an’ireo mpandrindra isaky ny disitrika, ny tanora Freedom ary ny fikambanam-behivavy Freedom Bongolava.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer