Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
NITANDRO FILAMINANA NANDRITRA NY FETY: Zandary iray maty voakapa famaky teo amin’ny lohany
Zandary mpiana-draharaha iray, Ramenjarison Rolland niasa tao amin’ny Zana-tobim-paritra Ambalarano, no namoy ny ainy, vokatry ny kapa famaky tany Fenoarivobe, afakomaly alina. Raha ny angom-baovao, nitandro filaminana nandritra ny fety izy sy ireo namany, satria nisy “podium” teo amin’ny kaominina. Nandritra io fotoan anio, dia andian-jatovo no niady, narahina tsindron’antsy, tsy lavitra ilay lanonana. Nandray andraikitra avy hatrany ny mpitandro filaminana, ka nosamborin’ireo zandary ilay nanindron’antsy. Teny an-dalana, mitondra io olona io, ho any amin’ny Biraon’ireo zandary no nisy lehilahy efatra nipoitra tampoka avy tao amin’ny maizina nanafika azy ireo avy hatrany. Raikitra ny fifanjevoana, ka voakapa famaky teo amin’ny lohany ity zandary mpiana-draharaha ity. Nandositra daholo ireo olon-dratsy sy ilay nanindron’antsy, saika hoentina tany amin’ny Borigadin’ny Zandarimaria. Afakomaly tamin’ny 01 ora maraina no niainga nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana ilay lasibatry ny fikapana famaky.
Teny an-dalana, tanaty fiara mpitondra mararin’ny CHRD Fenoarivobe, hihazo ny CHRR Tsiroanomandidy, ity zandary naratra mafy ity no tsy tana ny ainy, ka nindaosin’ny fahafatesana. Noho ny fahaverezan-dra be loatra sy ny fery mankadiry tamin’ny faritry ny loha, araka ny fanambaran’ny mpitsabo nanaraka azy. Tonga tamin’ny 6 ora sy sasany tao akaikin’ny Vondron-tobim-paritra ny razana ary eo am-pikarakarana azy ny sosialibe. Tsy maintsy atao izay fisamborana ny nahavanon-doza, miaraka amin’ny mpiantsehatra rehetra any an-toerana. Na izany aza, efa hita soritra ny momba ireo nahavanon-doza. Tiana ny manamarika fa avy any Arivonimamo, Angodonana Ambatomirahavavy ny fiavian’ity zandary nindaosin’ny fahafatesana ity.
Rado Harivelo




