Songadim-baovaoSosialy

SAKAFO VOATONONA HO NITERAKA FAHAPOIZINANA : Mbola andalam-panaovana fanadihadiana ireo tompon’andraikitra

Maro ireo mampiaka-peo fa andro maromaro taorian’ny tranga fahapoizinana ara-tsakafo nahafatesana olona maro teto Antananarivo sy tany amin’ireo faritra sasany eto Madagasikara dia mbola tsy fantatra mazava ankehitriny ny sakafo tena nitera-doza. Ankilany, misy ireo vokatra voatondro-molotra ka miteraka fatiantoka ho an’ireo mpamokatra izany. Manoloana izany indrindra no nanamafisan’ny Ministeran’ny fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra fanazavana omaly fa tsy mbola misy ny filazana tsy fanarahan-dalàna amin’ny entam-barotra hatreto. Mbola eo andalam-panaovana fanadihadiana mifandraika amin’izany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny.
Na eo aza anefa izany dia fepetra efa noraisina ny fanesorana sy fanavahana ny ampahany tamin’ireo sakafo voatonina sy noahiahiana tany amin’ireo tanàna sy ny tranombarotra voalaza. Nanaovana fitsirihana ireo entana ireo ary efa tonga eny anivon’ny toeram-pitiliana. Araka izany, “ny valim-pitsirihana izay havoakan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka no hamaritra ny zava-misy marina ary hamoahana amin’ny fomba ofisialy ny vaovao mahakasika ireo sakafo rehetra voatonina ireo”, hoy hatrany ny fanazavana.

Miezaka ny mampitony ny sain’ny vahoaka eo amin’izany tontolon’ny fanjifana izany moa ny tompon’andraikitra. Nambaran’izy ireo fa nohamafisina sy nampitomboana ny ezaka amin’ny fanaraha-maso isam-paritra ny varotra. Ampiroboroboana ny fiaraha-miasa akaiky amin’ireo sampan-draharaham-panjakana mahefa sy ireo fikambanana mpiaro ny mpanjifa. Manana andraikitra mifandraika amin’ny fitandremana ihany koa ka manentana hatrany ny rehetra mba ho mailo sy hifanome tanana mahakasika ny fizaram-baovao ny Fitondram-panjakana.

S.S

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer