Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

BEDIDY AMPARAFARAVOLA : Zazavavy roa indray naolana dimy lahy

Miverina mirongatra indray ny resaka fanolanana zaza tsy ampy taona! Lehilahy miisa dimy nanolana zazavavy roa tsy ampy taona, izay avy nijery fety tany Bedidy, tao amin’ny toerana atao hoe Bemananasy, fokontany sy kaominina Bedidy, distrikan’ Amparafaravola, afakomaly hariva, tamin’ny 7 ora sasany. Raha ny angom-baovao, dia zazavavikely 14 taona sy 15 taona samy monina ao Antsapandrano, kaominina Bedidy, ireo niharan’ny filan-dratsin’ireo dimy lahy ity. Eo am-pikarohana ireo nahavanon-doza ireo ny zandary sy ireo fokonolona any an-toerana. Nentina nihazo ny toeram-pitsaboana eny Bedidy kosa, izy roa vavy niharan’ny fanolanana.

Ankoatra izay, zaza tokony hanao fanadinana CEPE no nanaraka lehilahy sipany, ka tsy niverina raha tsy ny zandary no naka azy. Tany amin’ny kaominina Vohitranivona, distrikan’i Brickaville no niseho ity tranga, tsy dia fahita ity. Zaza 13 taona tokony hanao CEPE no efa nanao sipa ka nanaraka ity sipany ary tsy niatrika fanadinam-panjakana, noho ny resaka filalaovana fitiavana mbola kely. Tsy hita nandritra ny andro maromaro ka ny zandary avy ao amin’ny Borigadin’i Brickaville no niezaka nanampy ireo ray aman-dreniny nitady azy ka tratran’ny zandary tany amin’ilay zazalahy izay mitovy taona aminy. Voalaza fa tena tsy voafehy ireto ankizy ka niafara tamin’izao fitsoahana ny ray aman-dreny any an-tokantrano. Ilaina hatrany, araka izany, ny fisiana fifanakalozan-kevitra na fananarana, indrindra ho an’ireo ankizy, izay manjary milalao ny hoaviny.

Pierre M.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer