Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

TRANO MANAMORONA NY RN11A: Kolonely misotro ronono sy ny vadiny ary lehilahy iray, indray hita faty

Vono olona miharo habibiana! Kolonely zandary misotro ronono sy ny vadiny ary lehilahy iray, izay tsy mbola tsy fantatra ny tena mombamomba azy no hita   faty tao anaty trano iray manamorona ny lalam-pirenena RN11A, tao amin’ny fokontany Narovana, anatin’ny kaominin’i Sahamatevina, distrikan’i Vatomandry, afakomaly maraina. Araka ny loharanom-baovao,  ny 26 jona no efa nikaroka azy ireo ny teo anivon’ny Zandarimaria, rehefa nampandre ny havan’izy mivady fa, tsy azo antso mihitsy izy ireo, kanefa lasa nihazo any Vatomandry hijery ny fananan’izy ireo. Fofona mavoroka sy lalitra mitangorona tamin’ilay trano no nanaitra sy nampieritreritra ny manodidina. Rehefa nosokafana ny trano, akory ny hatairana fa vata mangatsiakan’izy telo no tao.  Ka isan’izay ilay manamboninahitra sy ny vadiny ary lehilahy iray, efa samy maty.

Olona niasa tao aminy no tompon’antoka

Raha ny fanadihadiana savaranonando, mpiasan’izy ireo ihany no heverina fa tompon’antoka tamin’ity vono olona miharo habibiana ity. Ny sasany tamin’ireo mpiasa, dia vaky nandositra taorian’ny heloka. Na izany aza, ny iray amin’ireo olona heverina ho tompon’antoka amin’izao vono olona izao, ilay mpiasa iray 35 taona, monina ao Ankadinondry Sakay, ao amin’ny Distrikan’i Tsiroanomandidy.  Ireo mpiasa hafa  voampanga dia avy any Manakara sy avy aty Antananarivo. Efa mitohy, araka izany,  ny fikarohana azy ireo, izay heverina fa tena fahavalom-piarahamonina.

Tombanana fa ny mety hampiasain’ireo olon-dratsy ny finday no isan’ny fomba iray hahafantarana ireo tompon’antoka tamin’ity vono olona ity. Taorian’ny fanatanterahana ny fombafomba araka ny fomban-drazana amin’ny fahafatesana, miaraka amin’ny fanampiana sy ny fanohanana mitohy avy amin’ny mpikambana ao amin’ny  Zanadarimaria ao Vatomandry. Ny  razan’ilay manamboninahitra misotro ronono sy ny vadiny ary ilay lehilahy fanintelony niara-novonoina tao, dia niala tao Vatomandry, mba hoentiny aty Antananarivo, amin’ny alalan’ny fiara sprinter, ny afakomaly, lasa teo. Ny antontan-taratasy rehetra mifandray dia voarafitra araka ny tokony ho izy. Araka izany, dia ho atao hazalambo ireto mpiasa tompon’antoka tamin’izao vono olona izao.

Pierre M.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer