PolitikaSongadim-baovao

FIBODOANA IREO NOSY MALAGASY: Nitaky ny fiandrianany i Madagasikara, ary fanonerana amin’ny Fanjakana Frantsay

Notontosaina tao Parisy Frantsa, omaly, ny fivoriana andiany faharoan’ny Vaomiera itambarana Frantsay sy Malagasy momba ireo Nosy Malagasy any amin’ny Ranomasimbe Indiana. Tafiditra ao ny « Nosy Sambatra », « Nosy Nandalova », « Nosy Ampela », « Nosy Bedimaky ». Nanamafy ny fahavononany hanaja ny fotokevitry ny lalàna iraisam-pirenena, ny soatoavin’ny fihavanana, ny fifanajan’ny andaniny sy ny ankilany, ary ny fiarahamiasa am-pirahalahiana ny roa tonta, eo amin’ny fifandraisana misy amin’izy ireo. Nahafahana nampahatsiahy ny fifampiresahana efa natomboka tamin’ny fihaonana voalohany, tamin’ny 2019, taty Antananarivo ity fihaonana andiany faharoa ity, indrindra ny mikasika ny faneken’ny roa tonta fa misy fifanolanana eo amin’ny fiandrianan’ireo Nosy Malagasy ireo.

Nihizingizina amin’ny fitakiana ny hiverenan’ny fiandrianam-pirenena amin’ireo Nosy Malagasy ireo amin’i Madagasikara ny delegasiona malagasy, izay mariky ny maha-izy antsika, sy zontsika feno, araka ny efa nohamarinin’ny Firenena mikambana. Tao anatin’ny lalantsain’ny fitoniana sy ny fifampitokisana eo amin’ny firenena roa tonta ihany, dia nitaky teboka maromaro ny delegasiona malagasy. Isan’izany ny fampiatoana ny fandraisana fanapahan-kevitra samirery mikasika ireo Nosy, mandra-piandry ny hisian’ny vahaolana ifanarahana, araka ny fanirian’ireo Filohampirenena roa tonta. Fanohizana ny fifanakalozan-kevitra, mba hahatongavana amina vahaolana am-pilaminana, rariny ary maharitra, manaja ny hetahetan’ny vahoaka malagasy. Fametrahana lasitra ankapobeny momba ny fiarahamiasa eo amin’ny Firenena malagasy sy frantsay, izay tsy manohintohina velively ny fotokevitra ijoroan’i Madagasikara dia ny  fananany ny fiandrianana amin’ireo Nosy ireo.

Fanonerana fahavoazana…

Tsy latsa-danja koa ny fametrahana fomba eken’ny roa tonta, amin’ny fanarahamaso sy fifampidinihana. Tafiditra ao anatin’izany ny fanohizana ny fikarakarana fivoriana matetika, araka ny tetiandro ifanarahan’ny andaniny sy ny ankilany. Famelana malalaka ny mpanjono malagasy hanjono amin’ny fari-dranomasin’ireo Nosy Malagasy ireo, toy ny efa nataon’ireo Razambeny tany aloha. Fanonerana ny fahavoazana sy fahaverezana ara-toekarena nahazo an’i Madagasikara, nandritra ny taona maro tsy nisitrahany ny fiandrianana amin’ireo Nosy Malagasy ireo. Eo koa ny fandraisana anjaran’ireo mpikaroka malagasy amin’ny asa fikarohana rehetra atao amin’ireo Nosy Malagasy ireo.

Fahafahan’ireo mpikaroka malagasy hijery ireo antontan-kevitra rehetra mikasika ny fikarohana, izay efa vita tany amin’ireo Nosy Malagasy ireo. Nanambara ny fahavononany ny delegasiona isanisany hanohy sy hanamafy ny fifampidinihana, ary hametraka ny fototra amin’ny fifandraisana itovizan’ny roa tonta lenta. Mba hanohizana ireo adisisika efa nataon’ny delegasiona malagasy ireo, dia nifanarahana fa hatao aty Madagasikara ny andiany fahatelo amin’ny fivorian’ny Vaomiera itambaran’ny Frantsay sy Malagasy, momba ireo Nosy Malagasy, amin’ny daty izay hofaritana ara-pomba diplomatika tsy ho ela. Tiana ny mampatsiahy fa ny Minisitry ny Raharaha eoropeanina sy raharaham-bahiny frantsay, Jean Noel Barrot, sy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Rafaravavitafika Rasata no nitarika ny fivoriana, omaly.

Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer