Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
FANONDRANANA VARIKA AN-TSOKOSOKO: Olona roa tra-tehaka teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato
Voasakana ny fikasana fanondranana harem-pirenena saika nataon’olon-droa tamin’ny faran’ny herinandro teo. Tamin’ny alahady 29 jona lasa teo, tokony ho tamin’ny 05 ora hariva mantsy, dia tratra tao anaty entana noentin’ireo olona roa ireo teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, saika hiondrana ho any Dubaï miaraka amin’ny sidina Emirates EK 708, ny Varika miisa 4. Vokatry ny fanomezam-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo, niaraka tamin’ny fanaraha-maso akaiky nataon’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD) sy ny Polisim-pirenena no nahazoana ireo vokatra ireo.
Lehilahy iray teratany Komorianana mizaka ny zom-pirenena malagasy tombanana ho 50 taona eo no nahavita io heloka io, niaraka tamina vehivavy malagasy iray 22 taona. Natao tao anaty hazo vita rafitra makarakara ireo biby. Notsindriana paty anaty fonosana ary narahina rano nampangastiahana mba tsy hahafaty azy. Natao avy hatrany moa ny fanadihadiana ka fantatra fa tsy mpivady fa olona efa nanomana ny fihondranany ho any Dubaï ireto tra-tehaka ireto. Efa tambazotra izy ireo ary nambaran’ny tompon’andraikitra fa mety misy hifadraisana amin’ny trangana famarinan’olona ihany koa ny tranga. Ny fanadihadiana lalina no hanamarina izany.
Amin’ny sokajiny “Sifaka” na “Propithecus coquereli” no ahitana ireo Varika saika haondrana ireo. Ho fanaraha-maso ny fahasasalamany dia efa nalefa any amin’ny ivontoerana sahaza amin’izany izy ireo, mialoha ny hamerenana azy any amin’ny toeram-ponenany voajanahary. Nambaran’i Ratefason Tojotsara izay talen’ny faritra arovana eo anivon’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy fa tombanana ho any amin’ny faritra arovana any Avaratra Andrefan’i Madagasikara no misy ny toeram-ponenana voajanaharin’ireo Sifaka ireo. Tsara hatrany ny mampatsiahy fa voasokajy ao anatin’ny Tovana voalohany CITES sy ny lalàna eto Madagasikara ny Varika ka voarara tanteraka ny fihazana, fisamborana, fiompiana, fivarotana ary fanondranana azy. Sokajiana ho heloka bevava kosa izany raha avy amin’ny faritra arovana, araka ny voalazan’ny “code des aires protégées” (COAP). Miroso amin’ny fanadihadiana sy ny fanenjehana ara-pitsarana, noho izany, ny Ministera.
S.S



