Songadim-baovaoSosialy
FITADIAVAM-BOLA AMIN’NY LAZA ADINA – BEPC: Handraisana fepetra ireo mikasa hanakorontana
Nilamina tamin’ny ankapobeny ny andro voalohan’ny fanadinana BEPC (Brevet d’Etudes du Premier Cycle) notanterahana omaly. Ny taranja “Malagasy” sy “SVT” no nisantarana ny fanadinana. Ho an’ny tapak’andro maraina dia nanambara ny ankamaroan’ireo mpiadina tafaresaka taminay fa ny fandalinana ny famoronan-dahatsoratra tamin’ny taranja “Malagasy” no nananosarotra azy ireo. Na izany aza dia nanazava ireo mpiadina fa efa natao tany am-pianarana avokoa ireo fanontaniana nipetraka tanaty laza adina, mifangaro amin’ireo tranga misy eny anivon’ny fiarahamonina. Tsikaritra tamin’io omaly io ihany koa fa manohana ireo zanany ao anatin’io dingana lalovany io ireo Ray aman-dReny. Nanotrona sy nankahery ny zanany izy ireo. Hita taratra izany tamin’ny alalan’ny fikarakarana sakafo mafana sy maivana ho an’ny ankizy. Nisafidy ny hikarakara sakafo avy any an-trano avokoa moa ireo Ray aman-dReny tafaresaka taminay. Anton’io safidy ny fitsinjovana fa mihinana sakafo azo antoka ireo ankizy mandritra ny andron’ny fanadinana.
Ho an’ny andro voalohan’ny fanadinana BEPC omaly hatrany dia teny amin’ny ivontoeram-panadinana CEG Tanjombato- Antananarivo Atsimondrano no nanatanterahan’ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena Sahondrarimalala Marie Michelle fitsidihana. Miisa 1 077 ny isan’ireo mpiadina ao amin’io ivontoerana io, raha ny fanazavana nentin’i Rakotojaona Andriamampianina Liva lehiben’ny ivontoerana. 39 taona no zokiny indrindra amin’ireo mpiadina ao an-toerana raha toa ka 12 taona ny zandriny. Nandritra io fitsidihana io dia nitsodrano ireo mpiadina BEPC rehetra manerana ny Nosy ny Minisitra. Nisaotra sy nankasitraka tamin’ireo fifanomezan-tanana teo amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ihany koa izy, ireo mpampianatra sy mpanabe, ny Ray aman-dReny, ny talen-tsekoly, ny CISCO, ny DREN ary ny ekipan’ny Ministera. Ny fiaraha-mientan’ny rehetra no nahafahana nahatontosa ny fanomanana mialoha sy nahazoan’ireo ankizy miatrika am-pilamonana ny fanadinana.
Tamin’io fotoana io ihany koa anefa no nanamafisan’ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena fa saro-pady izany fampianarana sy fanabeazana izany. Namela fanentanana manokana miantefa any amin’ireo Ray aman-dReny ny tenany. Nambarany fa “aoka mba tsy ho alaim-panahy isika Ray aman-dReny mividy mety ho laza adina diso eny amin’ireny tambazotra sosialy ireny”. Amin’ny ankapobeny mantsy dia lasa atao fitadiavam-bola ny famarotana laza adina diso isan-taona, ka manimba ny fikarakarana ny fanadinam-panjakana izany. Manoloana ny mety ho fisian’izany dia nambaran’ny Minisitra fa “raisina daholo ny fepetra rehetra mba tsy hisian’izany fomba fisainana mamoafady izany”. Noho izany dia hisy ny fandraisana fepetra hentitra, sahanin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, ho an’ireo izay mikasa na hanakorontana ny fanadinana amin’io alalan’ny fanaparitahana laza adina diso io.
Tsara hatrany moa ny mampatsiahy fa miisa 299 312 ireo mpiadina manerana ny Nosy miatrika ny fanadinana BEPC amin’ity taona ity. Voatsinjara amin’ny ivontoeram-panadinana miisa 1 072 ahitana efitrano miisa 9 000. Hiatrika ny taranja “Matematika” sy “Frantsay” indray ireo mpiadina amin’ity anio ity.
Sarobidy Sidonie.




