Songadim-baovaoToekarena
SOLIKA ILAHARAMBE ETO ANTANANARIVO: Ampy ny tahiry, olana ara-pitaterana no antony
Olana ara-pitaterana no mahatonga ny tsy fahampian'ny solika eny anivon'ny tobin-tsolika eto Antananarivo. Efa andalana ny kamiao mpitatitra izany, hoy ny tale Jeneralin'ny OMH, Raveloson Cydolin. Ampy ny tahirin-tsolika ho an'i Madagasikara manontolo.
Tranga nanaitra ny mpanjifa teto Antananarivo, efa andro maromaro izay, ny tsy fisiana solika eny amin’ireo tobin-tsolika maro. Velom-panontaniana ny rehetra ny amin’ny mety ho fahalanian’ny tahiry ? Nahabe resaka koa moa tato ho ato ny ady misy eo amin’i Iran sy Israel ka mety misy fiantraikany amin’ny famatsiana solika manerantany. Omaly, nanamafy ny Tale Jeneralin’ny OMH, Raveloson Cydolin, fa olana ara-pitaterana no mahatonga ny tsy fahampian’ny solika eny amin’ireo tobin-tsolika eto an-drenivohitra. Efa andalana ny Kamiao mpitatitra izany, hoy izy. Notsindriany fa ampy ny tahirin-tsolika ho an’i Madagasikara manontolo.
Raha tsiahivina, nazava ny fanambarana nataon’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Jean-Baptiste Olivier, ny 25 jona lasa teo. Nambarany tamin’izany fa manana tahirin-tsolika mihoatra ny 104,5 tapitrisa litatra isika manerana ny Nosy, ka 73,1 tapitrisa litatra, ny gazoala ao amin’ny Tobim-pitahirizana ao Toamasina. Gazoala 30 tapitrisa litatra no tahiry amin’ireo toby manerana ny Faritra rehetra hafa. Ho an’ny lasantsy indray, dia 23 tapitrisa litatra no tahiry manerana ny Nosy, ka ny 15,9 tapitrisa litatra, dia ao amin’ny tobim-pitahirizana ao Toamasina, ary 6,6 tapitrisa litatra amin’ireo toby hafa manerana ny Nosy. Misy koa ny solika, izay eny an-dalana anaty sambo, fiarandalamby, ireo fiarabe (camions-citernes) mbola hiditra eny amin’ny tobin-tsolika tsirairay avy. Marihina fa nampiakatra ny filàna ara-tsolika ny vanim-potoan’ny asaramanitra teo, ka antony nahalany ny solika teny amin’ireo tobin-tsolika sasany. Vahaolana efa nambarany moa ny fanafainganana ny fitaterana ny solika eto Antananarivo.
Nidina 200Ar ny litatra
Nanomboka omaly 01 Jolay 2025 dia nidina 200 Ariary isaky ny litatra ny vidin’ny lasantsy sy ny gazoala, raha toa kosa ka nidina ho 50 Ariary isaky ny litatra ny vidin’ny solika fandrehitra. Araka izany, niova ho 4 900 Ariary/L ny gazoala raha toa ka 5 100Ariary/L izany teo aloha. Ny lasantsy kosa indray, dia nidina 5 320Ariary/L raha toa ka 5 520Ariary/L teo aloha. Ho an’ny solika fandrehitra, lasa ho 3 380Ariary/L ankehitriny, raha 3 430Ariary/L teo aloha. Ity fiovaovan’ny vidin-tsolika ity moa dia mbola tohin’ny fampiharana ilay “ Mécanisme d’Ajustement Automatique des Prix de carburants », efa natao, volana vitsivitsy lasa izay.




