
Fanatanjahan-tenaPolitikaSongadim-baovao
KOLONELY PATRICK RAKOTOMAMONJY: Voasazy 20 taona an-tranomaizina
Namoaka fanapahana ny fitsarana mahakasika ilay raharaha nahavoasaringotra ny Kolonely Patrick Rakotomamonjy, herinandro maromaro lasa izay. Fantatra tao anatin’izany fa voasazy higadra 20 taona an-tranomaizina ny tenany. 10 taona an-tranomaizina kosa ho an’ny mpiray tsikombakomba aminy iray, raha toa ka nafahana noho ny fisalasalana ireo olona hafa voatonontonona.
Na dia mbola tsy voafaritra mazava aza izay misy ny Kolonely Patrick Rakotomamonjy, izay fantatra tamin’ilay raharaha fametrahana “Cocktail Molotov” tetsy Antanimena sy 67ha, dia nandeha ihany ny fitsarana mahakasika azy. Fantatra, araka izany, fa voasazy 20 taona an-tranomaizina sazy mihatra ny « Médecin colonel » Rakotomamonjy Patrick. Olona iray hafa mpiray tsikombakomba taminy koa no nahazo sazy 10 taona an-tranomaizina. Ireo voarohirohy ambiny kosa nahazo fahafahana noho ny fisalasalana. Mazava ho azy, tsy niatrika ny fitsarana ny tenany. Araka ny loharanom-baovao, dia fanohintohinana ny filaminan’ny firenena, fifofoana ain’olona, ary fanalam-baraka no vesatra hanenjehana azy.
Raharaha “Cocktail Molotov”
Raha tsiahivina ny zava-mitranga, nisy nametraka « Cocktail Molotov » sy taratasy miendrika trakta nanoloan’ny vavahadin’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly na ny Pac 67 Ha, ny fiandohan’ny volana aprily lasa teo, tokony ho tamin’ny 10 ora sasany alina. Nahitana io tranga io koa tetsy akaikin’ny Pradon Antanimena, izay mifanakaiky kely amin’ny toeram-pivarotana H&H Mode, izay akaikin’ny lalan’ny mpandeha tongotra. Isan’ny nahitana ilay trakta koa teny an-toerana, izay miresaka momba ilay raharaha « cocaïne » tany Nosy Be sy ny tany Faradofay.
Taorian’izay, dia nosokafana ny fanadihadiana. Nambaran’ny Hery fiarovana sy filaminana fa rehefa nosokafana ny fanadihadiana, dia hita tamin’ny alalan’ny “caméra de surveillance” na fakan-tsary andrimaso ny fisiana olona roa nandeha môtô nametraka ireo zavatra ireo. Narahina ny toerana niaingany sy nandalovany, dia hita sy voaporofo fa ny médecin colonel Rakotomamonjy Simon Patrick no nanao io asa ratsy io. Porofo tsy azo lavina ny fisiany sary hita tamin’ny fakantsary andrimaso ary ny fitsoahany dia midika zava-dehibe amin’ny andraikitra raisiny. Manoloana io raharaha hiampangana azy io. Voasambotra izy, ny 14 aprily 2025 maraina, natao ny fanadihadiana niarahany polisy sy zandary ary natao andrimaso tao amin’ny Toby Ratsimandrava izy. Ny 16 Aprily 2025 tokony tamin’ny 05 ora 30 mn maraina izy no nitsoaka ny toerana nitazomana azy, nanararaotra ny nahavariana ny mpiandry raharaha. Nitohy ny fanadihadiana ary voasambotra ilay namany nitondra môtô. Nanamafy ny asa ratsy nataon’ny Kly Patrick tamin’ny andro voatonona io izy.
Tsiahivina fa olona 30 no niakatra fampanoavana tamin’ity raharaha ity tany am-piandohana.
Ny Fanoratana.


