PolitikaSongadim-baovao

FILOHA ANDRY RAJOELINA : Nanolotra fotodrafitrasa maro ho an’i Matsiatra Ambony

“Miposaka ny masoandro eto Vohibato”. Io teny io no namehezan’ny Filoha Rajoelina ny voka-tsoa entin’ireo fotodrafitrasa notokanany omaly, ho an’ny fampandrosoana ny distrikan’i Vohibato. Taorian’ny kaomisaria sy ny biraon’ny fitaleavam-paritry ny mponina, dia nitokana ny hopitaly manarapenitr’i Vohibato izay ao Alakamisy Itenina ny Filoha Rajoelina. Miposaka tokoa ny masoandro ao Vohibato satria tsy adino intsony ity distrika ity. Notsindrian’ireo nandray fitenenana mantsy, ary isan’izany ny minisitry ny Mponina, Aurélie Razafinjato, izay avy ao Vohibato, fa  tsy mbola nisy fotodrafitrasa naorina tao amin’ity distrika ity hatrizay. “Tsy mbola nisy fotodrafitrasa mba nanapahana ruban izany teto aminay”, hoy izy. Ary indrindra indrindra, tsy mbola nisy hopitaly izany. Miova izany ankehitriny.

Ity naorin’ny Fitondram-panjakana tarihin’ny Filoha Rajoelina ity no hopitaly voalohany naorina ao Vohibato. Izay vao nisy hopitaly tao an-toerana. Tao anaty hafaliana no nandraisan’ireo vahoaka vory lanona ity fotodrafitrasa ity na dia teo aza ny hatsiaka mamirifiry sy ny merik’andro. Hafaliana, fankasitrahana sy fahavononana ihany koa no nasetrin’ireo mpitsabo sy mpiasan’ny fahasalamana, satria dia afaka hiasa amina toerana malalaka sy manara-penitra izy ireo, miaraka amina fitaovana vaovao sy raitra ihany koa.

Tsy voatery miakatra any Fianarantsoa intsony ireo mila fitsaboana satria misy ny “service” ilaina rehetra ao. Isan’ny mampiavaka an’ity hopitaly ity ny fisian’ny “service imagerie médicale numérique”, ny laboratoire, sy ny “bloc opératoire”. Afaka mandray an-tanana ireo mila fandidina, indrindra fa ireo vehivavy hiteraka ka mila didina ny hopitaly. Teo aloha mantsy dia tsy maintsy alefa any Fianarantsoa izy ireo. Noho ny alavirana nefa dia matetika manano sarotra izany.

Toky nifanomezana

Nambaran’ny Filoha fa manamarika ny toky nifanomezana tamin’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana ho Filoham-pirenena ireo asa vita ao Alakamisy Iteny, distrikan’i Vohibe. “Ampio aho ahahafahako manampy anareo hoy aho”, raha notsiahivin’ny filoha Rajoelina ny kabariny tamin’izany. Tsy nisalasala ireo mponin’i Vohibato fa nanome 75% ny vaton’izy ireo ho azy.

Araka izany dia fotodrafitrasa manakaiky sy mamaly ny filan’ny vahoaka ireo notokanan’y Filoha. Eo ny sehatry ny filaminam-bahoaka, ny tontolon’ny fahasalamana, fa koa ny lafiny fiahina ara-tsosialy. Amin’izay lafiny sosialy izay dia nisitraka Vatsy Tsinjo avy amin’ny fitondra-panjakana ihany koa ireo fianakaviana miisa 3.500 avy amina kaomina 16 ao amin’ny distrikan’i Vohibato.

Tsy kisendrasendra araka izany no nisafidianan’ny Filoha hoe i Vohibato no isan’ny distrika voalohany ho tsidihiny mandritra ity fitsidiham-paritra voalohany ataony taorian’ny fankalazana ny faha 65 taona niverenan’ny fahaleovantena. Entina anaporofoana fa miposaka ny masoandro ao Vohibato, ary tsy ho adino intsony Vohibato sy Alakamisy Intenina. Raha nilaza ny fietseham-pony ny Filoha dia niteny fa nalahelo satria adino Vohibato hatrizay, saingy faly ihany koa satria tanteraka ny toky nifanomezana hoe tsy adino intsony Vohibato.

Tsy maintsy mivoatra

Hafatra nambaran’ny Filoha ho an’ny mponina ao Vohibato, sy mipaka ho an’ny Malagasy rehetra ihany koa ny hoe “aza manaiky akivina. Aza manaiky atao ao anaty lohantsika hoe tsy afaka ivoatra isika”. Ny olona manohitra sy manakivy hoy izy tsy anova ny fiainam-bahoaka. Izay miasa ihany, dia ny fitondrana izany, no mikatsaka sy miezaka isan’andro anova sy anatsara ny fianam-bahoaka.

“Miasa isika fa tsy manao kabary fotsiny”, hoy ny Filoha, ary porofon’izany ireo fotodrafitrasa vita ao Alakamisy Itenina, distrikan’i Vohibato. Nanontany ny vahoaka rahateo izy hoe manoloana ny fanakianan’ireo mpitsikera, “vita sa tsy vita ny hopitaly”, tao anaty horakoraka no namalian’izy ireo hoe vita. Raha hopitaly 18 no niorina eto Madagasikara nanomboka ny 1960 hatramin’ny 2019, dia 30 kosa no miorina hatramin’ny nandraisan’ny filoha Rajoelina ny fitondrana nanomboka ny taona 2019.

Manoloana ireo fatra mpanakina dia nilaza ny solombahoaka Freydier Michael na Ramika, izay voafidy tao Vohibato fa afaka mandeha any an-toerana izy ireo satria efa mipaka amin’ny vahoaka ny fampandrosoana. Namafisin’ny filoha Rajoelina izany hoe “Ho an’izay minia mikipy sy tsy mandre, dia mandehana aty Vohibato fa ny aty efa mahita ny fampandrosoana ataontsika”. “Roso ity, tsa mipody koa” hoy izy ilazana fa tsy mijanona intsony ny hazakazaka ho an’ny fampandrosoana.

Ny Fanoratana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer