KolontsainaPolitikaSongadim-baovao

TANTERAKA NY FANAMBY : Nahazo « Coliseum » vaovao i Fianarantsoa

Fotoan-dehibe ny tao Fianarantsoa omaly. Anisan’ny goavana indrindra tamin’ny fotodrafitrasa natolotry ny Filohan’ny Repoblika ho an’ny vahoakan’i Fianarantsoa ny Coliseum ao Ambatomena. Hipok’olona ny tao an-toerana omaly nandritra ny lanonam-pitokanana ara-pomba ofisialy notarihin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina. Zava-nisongadina tamin’ny tantaran’ny tanàna sy ny faritra no niseho, satria tsy vitan’ny hoe nahazo fotodrafitrasa goavana ny tanàna, fa natao manokana ho an’ny tanora sy ny vahoakan’i Fianarantsoa ihany koa ity Coliseum ity.

“Tsy ho adinoko mandrakizay ny fitiavanareo. Ary porofon’izany ity coliseum ity,” hoy ny Filoha teo anatrehan’ny vahoaka an’arivony. Mahazaka olona hatrany amin’ny 32.000 ity fotodrafitrasa vaovao ity, ary i Fianarantsoa no faritra voalohany manana kianja lehibe tahaka izao ivelan’ Antananarivo. Efa hatramin’ny Repoblika Voalohany no nokasaina hanorenana kianja lehibe tao Ambatomena, saingy tsy tanteraka izany raha tsy amin’izao. Ankehitriny, amin’ny alalan’ity coliseum ity, dia tafajoro ny nofinofy efa niandry am-polo taona maro. “Tsy mijanona eto ny asa. Hatao « Pôle Urbain » Ambatomena. Eto no hatsangana ny biraom- panjakana maro , « centre commercial » , ary ozinina maro ho famoronana asa ho an’ny tanora,” hoy ihany ny Filoham-pirenena, maneho mazava fa hisitraka ny fampandrosoana i Fianarantsoa.

Nambara fa i Fianarantsoa dia ho isan’ireo faritra andrasana hitondra fiovana lalina ho an’ny fampandrosoana manerana an’i Madagasikara. Anisan’ny tanjona napetraka ny fametrahana fotodrafitrasa ho an’ny tanora, fanamoràna ny serivisy amin’ny alalan’ireo birao vaovao, ary famoronana asa maharitra amin’ny alalan’ny sehatra ara-toekarena vaovao hapetraka. “Tsy maintsy mandroso i Fianarantsoa. Tsy ho farany, tsy ho gisitra, fa hataontsika ho voalohany,” hoy ny Filoha, izay naneho fanoloran-tena mazava amin’ny fanohanana tsy misy fepetra ny mponina ao an-toerana.

Ny Fanoratana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer