PolitikaSongadim-baovao
FANATSARANA NY SEHA-PIHARIANA OMBY : Nolanian’ireo Loholona tsy nisy nitsipaka ilay Tolo-dalàna 002-2025/SENAT/PPL
Lany teo anivon’ny Antenimierandoholona tsy nisy nitsipaka ny tolo-dalàna laharana faha 002-2025/SENAT/PPL mikasika ny fanisàna, ny fanaovana vakisiny sy ny fanaraha-maso ny fahasalaman’ny omby eto Madagasikara, natolotry ny Loholon’i Madagasikara Lalatiana Rakotondrazafy. Efa maro moa ny adihevitra natao mikasika azy ity, raha ny nambaran’ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy, ary efa noraisina koa ny tolokevitra avy tamin’ny Governementa araka izay nampety azy, ny avy tamin’ireo Loholona, avy tamin’ireo mpisehatra isan-tsokajiny, ary nezahina tena nazavaina tamin’ny antsipirihany mba hazava tamin’ny rehetra nampisinda ny ahiahy mety nipetraka.
Nohamafisiny fa nampisy marimaritra iraisana ny tolo-dalàna, manome antoka ny veterinera tsy miankina koa. Nomarihiny mantsy fa tsy manala velively ny fahafahan’izy ireo mahazo ny « mandat sanitaire » mihitsy izy ity, fa manampy fotsiny mba ho afaka misehatra tahaka azy ireo koa ny veterineram-panjakana. Satria tokoa mantsy mampitaraina efa an-taonany maro ny mpiompy omby sy ny ben’ny tanàna any ifotony ny tsy fahampian’ny veterinera tsy mahasehaka ny faritra rehetra eran’i Madagasikara.
Mbola handalo eny amin’ny Antenimierampirenena koa moa ny tolo-dalàna amin’ny fepotoam-pivoriana amin’ny oktobra. Izany hoe, mbola misy dingana maromaro holalovany vao ho afaka hanan-kery izy.
Tolo-dalàna 001-2025/SENAT/PPL
Mahakasika ilay Tolo-dalàna laharana faha 001-2025/SENAT/PPL manova sy mameno ireoandininy sasantsasany amin’ny Lalàna laharana faha 2014–020 tamin’ny 27 septambra 2014 mikasika ny loharanom-bolan’nyVondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, ireofombafomba fifidiananana, ny fandaminana, ny fampandehanan-draharaha ary ny anjara andraikitr’ireo rantsa-mangaika aoaminy, novaina sy nofenoin’ireto Lalàna laharana faha 2018-011 tamin’ny 11 jolay 2018, laharana faha 2021-010 tamin’ny 05 aogositra 2021 sy laharana faha 2024-002 tamin’ny 07 febroary 2024, dia nifanaraka ireo Loholona rehetra fa hahemotra amin’ny volana oktobra ny fandaniana azy.
Araka ny fandaharam-potoana moa dia nifarana omaly ny fotoam-pivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimiera roa tonta, ka anisan’izany ny Antenimierandoholona.
Nangonin’i LR.




