Songadim-baovaoSosialy

FAHAPOIZINANA ARA-TSAKAFO ANY TOAMASINA: Tafakatra 11 ireo manaraka fitsaboana, ankizy ny 3

Nanao tatitra omaly ny avy eo anivon’ny CHUAT hopitalibe Analankinina Toamasina fa misy tranga niarahan’ny olona maromaro tratran’ny aretina vokatry ny fahapoizinana ara-tsakafo raisin’izy ireo an-tanana. Tamin’ny alin’ny alarobia lasa teo no tonga tao amin’ny hopitaly ny olona miisa 7 izay avy amin’ny fianakaviana iray ihany, mipetraka ao amin’ny Cité Harras Ankirihiry. Olon-dehibe avokoa ny 6 amin’izy ireo, raha toa ka ankizy ny 1. Soritr’aretina hita tany amin’izy ireo ny mandoa sy mivalana. Avy hatrany dia naiditra tao amin’ny sampana vonjy taitran’ny hopitaly izy ireo. Omaly tamin’ny 06 ora hariva, nampahafantra indray ny hopitalibe fa niampy 4 hafa indray ireo olona raisina an-tanana ao amin’ny hopitaly mahakasika io tranga niseho tao Ankirihiry io hatrany. Olon-dehibe ny 2 ary ankizy ny 2 hafa. Midika izany fa tafakatra 11 ireo olona manaraka fitsaboana ao amin’ny CHUAT noho io fahapoizinana ara-tsakafo io ary ankizy ny 3 amin’izy ireo.

Fantatra fa noho ny fihinana ovy nendasina sy “composé” tao amin’ny tsena tao an-trano ihany no nitarika ny fahapoizinana ara-tsakafo tany amin’ireo olona maromaro ireo. Naneho ny soritr’aretin’ny fahapoizinana izy ireo rehefa avy nihinanana ny sakafo. Amin’izao fotoana dia mandeha ny fanadihadiana azy ireo. Maimaimpoana ihany koa ny fandraisana an-tanana sy ny fitsaboana azy ireo. Mba hisorohana ny mety ho fiverenan’ny tranga toy izao dia manamafy hatrany ny fanentanana ny olom-pirenena rehetra ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, mba hitandrina amin’ny fikarakarana sy fitehirizana sakafo, amin’ny fahadiovan’ny sakafo hanina isan’andro.

S.S

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer