Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
FANAFIHANA TSY TANTERAKA TENY ITAOSY: Tambazotran-jiolahy iray ravan’ny zandary, roa lahy lavon’ny bala
Nanaitra ny mponina manodidina an’Ampitatafika sy ny manodidina ny poa-basy niseho ny alin’ny alakamisy 03 jolay lasa teo. Jiolahy roa no lavon’ny balan’ny Zandary tamin’izany. Anatina tambazotran-jiolahy ireto olon-dratsy tsy afa-manohy ny asa ratsiny intsony, raha ny fantatra. Miisa dimy izy ireo no nahazoan’ny zandary loharanom-baovao marim-pototra, tamin’io andro io, tokony ho tamin’ny 10 ora maraina. Rehefa nataon’ny mpitandro filaminana ny fanarahan-dia, dia tany amin’ny 11 ora alina tany no nirefodrefotra ny basy, tamin’ny fafaneharan’ny roa tonta, teny Ampitatafika, akaikin’ny lasantsy maty. Ireo dimy lahy dia fantatra fa nitondra fiara tsy mataho-dalana miloko mainty, ary nanomboka teny Ampasika ny fanarahan-dia. Rehefa tonga teo Ampitatafika dia niroso tamin’ny fisavana ny fiara voalaza ny zandary. Lehilahy iray tao anatin’izany no azo sambo-belona, ary nilaza fa nikasa hanatanteraka fihaonana teny Ambohijanamasoandro Itaosy, izy ireo, toerana izay hanatanterahan’izy ireo fanafihana. Raha iny nitondra azy ho eny amin’ny toerana voalaza etsy ambony ny zandary dia nifanena tampoka tamina roa lahy hafa izay voalazan’ity farany fa isan’ireo namany. Nitsoaka ireto farany no sady nanapoaka basy, saingy namaly tifitra koa ny zandary. Tamin’izany no nahalavo ny roa lahy tamin’izy ireo. Mbola hita teny aminy moa, ny basy poleta vita gasy iray, miampy basy lava iray sy sabatra miisa roa, sy “barre à mine” miampy “pince” iray. Mandeha ny fanadihadiana mikasika ity raharaha ity sy ny fikarohana jiolahy ambiny tafatsoaka. Borigadin’ny zandarimaria maro sahanin’ny “Tanà Ville” no indray nahetsika tamin’ny fanakanana ireto jiolahy nandeha fiara, ary izao nahitam-bokany izao.
Stan R.




