PolitikaSongadim-baovao
FRANTSA SY MADAGASIKARA : Hanohy ny fiarahamiasa mifototra amin’ny fampandrosoana maharitra
Miorina amin’ny fifampitokisana sy fiarahamiasa marolafy ny fifandraisana eo amin’i Lafrantsa sy Madagasikara. Nambaran’ny Masoivoho frantsay Arnaud Guillois, nandritra ny fanamarihana ny fetim-pirenena frantsay omaly, fa taona manan-tantara ho an’ny fiarahamiasa stratejika eo amin’ny firenena roa tonta ny 2025. Nanamarika izany ny fitsidihana ara-panjakana nataon’ny Filoha Emmanuel Macron teto an-tanindrazana tamin’ny volana aprily lasa teo. Notsindrian’ny Masoivohon’i Frantsa miasa sy monina eto Madagasikara koa fa mbola mitohy amin’ny alalan’ny drafitra iarahana ny fifanarahana maro vita nandritra ny fitsidihana, izay hifantoka amin’ireo tetikasa goavana sy maharitra, mifanaraka amin’ireo laharam-pahamehana napetraky ny Filoha roa tonta. Ao anatin’izany ny fampandrosoana, fambolena, fanabeazana, miaraka amin’ny AFD , ireo mpilatsaka an-tsitrapo iraisampirenena izay anisany manan-danja amin’ny fifaneraserana ifampizarana. Teo koa ny fametrahana ofisialy ny Expertise France sy ny fandraisana anjaran’ny EDF amin’ny tetikasa Volobe, indrindra ny fanohanana ara-toekarena izay anisany tanjona fototra eo amin’ny firenena roa tonta.
Ankoatra izay, fantatra omaly koa fa ny 18 sy 19 septambra izao no hanatanterahana ny »Assises de la coopération décentralisée franco-malgache » andiany fahatelo. Hanomezan-danja ny fandraisana anjara miavaka ataon’ireo vondrombahoaka ifotony izay mampiray ny tanintsika amin’ny alalan’ireo tetikasa maro azo tsapain-tanana, mitondra fanavaozana ary manan-danja, ity fihaonana antampony ity. Nambaran’ny masoivoho frantsay, miasa sy monina eto Madagasikara, Arnaud Guillois, fa ankoatra ny lafiny toekarena dia hanohana hatrany ny hetsika ataon’ny fiaraha-monim-pirenena sy ny vondrombahoakam-paritra koa i Frantsa.
Ny Fanoratana.




