Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
RAHARAHA ANNICK RATSIRAKA : Fitoriana nataon’olon-tsotra, tsy misy resaka politika
Hoentina hiakatra eo anivon’ny Tendrom-pitsarana Miady amin’ny Kolikoly (PAC) atsy ho atsy ny raharaha mikasika an’i Annick Ratsiraka, sekretera nasionalin’ny antoko AREMA. Raha ny loharanom-baovao azo antoka dia efa nanomboka hatramin’ny taona 2022 ny fitarainana mikasika ity raharaha ity. Olon-tsotra no nitory azy, ary raharaha manokana mikasika fifandirana amin’olon-tsotra no anton’ny fitarainana. Midika izany fa tsy misy mihitsy ambadika politika amin’ity raharaha ity. Araka izany, tsy ananan’ny fanjakana anjara ity resaka ity, satria raharaha sivily manaraka ny lalam-pitsarana no iatrehana azy.
Andrasan’ny mpanara-baovao moa ny tohin’ity raharaha maha voasaringotra an-dRamatoa Annick Ratsiraka ity. Izy izay zanaka vavin’ny Filoha teo aloha, Amiraly Didier Ratsiraka, ary mpitarika ny Antoko Politika AREMA ankehitriny.
Ny Fanoratana.




