PolitikaSongadim-baovao

FAHASAHIANA POLITIKA: Nandroso i Madagasikara tamin’ny fitakiana ireo Nosy malagasy

Tafiditra tao anatin’ireo delegasiona malagasy nihazo an’i Paris tamin’ilay fivoriana faharoan’ny Vaomiera itambaran’i Frantsa sy Madagasikara amin’ilay raharaha Nosy Malagasy Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy, Loholon’i Madagasikara. Nisafidy hitondra fanazavana bebe kokoa momba iny fihaonana faharoa iny sy ilay fanambarana iombonan’ny firenena roa tonta ny tenany ny alatsinainy teo tao anatin’ny fandaharana Anao ny fitenenana tao amin’ny Fahitalavitra Free TV.

Notsindriany tao anatin’izany fa na inona na inona ambara sy resabe atao, dia tsy mbola lasa lavitra mihoatra ny amin’izao isika malagasy tamin’ny fitakiana an’ireo Nosy Malagasy ireo. Ary izany dia teboka tokony hankasitrahana ny Filoha Rajoelina satria izy no nanana an’izay fahasahiana politika izay. Tsiahivina fa tamin’ny 1979 isika no nahazo an’ilay tsoakevitry ny Firenena mikambana, izay nohamafisiny tamin’ny 1980, manambara fa an’i Madagasikara ireo Nosy ireo. Taorian’izay dia tsy nisy fitakiana tena nisongadina mahakasika azy ireo. Niafiafy ny Mpitondra malagasy tany aloha niresaka an’io raharaha io. Saika nisy ihany fifampidinihana tamin’izany fa tsy lasa lavitra. Ka amin’izao andron’ny Filoha Rajoelina izao vao tena lasa lavitra ny fifampidinihana sy ny dingana nataon’ny Malagasy hitakiana ny famerenana an’ireo Nosy ireo.

Ankoatra izay, fahasahiana lehibe ihany koa ny an’ny delegasiona malagasy nahasahy nifanatrika tamin’ny delegasiona frantsay. Hiaraha-mahalala fa tsy mitovy ny fifandanjan-kery eo amin’ny firenena roa tonta. Ny frantsay dia matanjaka, na amin’ny lafiny ara-tafika, ara-toekarena, ara-jeopolitika, ara-diplomatika, sy ny sisa. Na teo aza anefa izany, tsy nikoso-maso ny delegasiona malagasy. Matoa ny Filoha Rajoelina nahasahy niresaka tamin’ny Filoha Macron nandritra ny fitsidihana ara-panjakana nataon’ity farany teto amintsika, ary tonga hatramin’ny famaritana ny datin’ny 30 Jona 2025 teo, dia efa fahasahiana lehibe nasehony izany, hoy Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy.

Maharitra ny fifampiraharahana

Nampahafantariny fa tsy i Madagasikara irery no manana olana resaka fiandrianana toy io resaka nosy malagasy  io. Nisy fifanakalozana daholo ireo firenen-drehetra nanana disadisa ara-piandrianana toy izany. Tsy indray mandeha na indroa ny fifampidinihana toy izany fa maharitra amam-polo taonany mihitsy aza. Tafiditra tao anatin’izany ohatra ny olana teo amin’i Maurice sy Frantsa tamin’ny resaka Tromelin. Teo koa ny “Archipel des chagos”, niadivan’i Maurice tamin’ny Britanika, nanomboka 1968 nahazoan’i Maurice fahaleovantena. Oktobra 2024 nefa vao nanaiky ny firenena britanika fa manana fiandrianana amin’ireo nosy ireo i Maurice. Midika izany fa tena lava ny fifampiraharahana amin’ny karazana fifanolanana eo amin’ny firenena roa tonta toy izao.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer