Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

MAHAFASA FARAFANGANA: Nosamborina ilay ben’ny Tanàna nidaroka tao anaty “Bar”

Nandeha nivoaka ny trano nisotro toaka tao amin’ny  toeram-pisotroana toaka iray i Dofa niaraka tamin’ny olona roa izay fianakaviany, ny alin’ny zoma tokony ho tamin’ny 8 ora alina, tao Mahafasa, distrikan’i Farafangana. Teo am-pisotroana ivelany tranon’i Tintin izy ireo, no nivoaka avy tao an-tranon’i Tintin, ny  Ben’ny tanana voafidy tao Mahafasa centre. Rehefa niverina avy nivalandrano ity farany no nitarika ireto niditra ny trano, mba hiaraka hisotro aminy, tamin’ny latabatra iray. Nitohy ny fisotroana sy ny resadresaka ka niafara tamin’ny resaka politika, momba ny resaka fifidianana Ben’ny tanàna. Namoaka resaka tamin’i Dofa ny Ben’ny Tanàna, mba tokony hanohana azy ara-politika amin’izay i Dofa. Saingy namaly izy fa tsy mitovy ny firehana politika misy, hoy izy, ka tsy hanohana anao mandrakizay ny tenako. Nahare an’izay tenin’i Dofa izay, ilay ben’ny Tanàna voafidim-bahoaka, ka tezitra ka avy hatrany. Noroahiny I Dofa hivoaka ny trano fisotroana. Nanda tsy nivoaka izy,  ka tezitra ny Ben’ny Tanàna,  sady niondrika tamin’ny latabatra.

Novelesina tamin’ny tavoahangina labiera

Taorian’izay, nitraka avy hatrany ny Ben’ny Tanàna, ka nandray tavoahangina labiera. Mbola misy ranony io tavoahangy io, saingy natorany tamin’ny tarehin’i Dofa. Vokany, voa i Dofa ary nitambotsitra tao ambany  latabatra ary dia nianjera tamin’ny tany niaraka tamin’ny seza nipetrahany. Nifamonjena ary natsangana i Dofa satria safotra. Rehefa nojerena dia tataka vokatry ny toraka tavoahangy ny molotrany ambony. Tapaka ny nifiny iray sady nijininika ny ra tamin’ny vavany. Mbola saika namerina fanindroany indray ny ben’ny Tanàna, saingy voasakan’ilay lefiny. Nentina avy hatrany, tany amin’ny Hopitaly CSB II tao Mahafasa centre iny alina iny ihany i Dofa. Nandray andraikitra avy hatrany ny mpitsabo ka dia nozairina io tataka tamin’ny molotrany io.

Ny ampitson’io i  Dofa no nalefa tao amin’ny CHRR Farafangana, mba hahazo fitsaboana sahaza azy ka nahazo “certificat medical” niaraka amin’ny ITT 20 andro. Nametraka fitoriana i Dofa, izay nitory ny Ben’ny Tanàna,  ka ny GAPJ Atsimo atsinanana no misahana ny fanadIhadiana. Nosamborina avy hatrany ny ben’ny Tanàna ka efa notanana ao amin’ny biraon’ny zandary. Misokatra ny fanadihadiana momba ity raharahaity. Marihina moa fa I Dofa dia mpampianatra  ao amin’ny CEG Mahafasa centre.

Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer