PolitikaSongadim-baovao
FIHAONANA AN-TAMPONY SADC: Nanome fiara 16 hitondrana ireo Filoham-pirenena i Chine
Noraisina Tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ireo fiara Hongqi izay hitondra ireo Filoham-pirenena mandritra ny andiany faha – 45 ny fihaonana an-tampon’ny SADC ny volana aogositra ho avy izao. Toy ireto Hongqi H9 ireto no nitondra ireo Filoham-pirenena sy ny Lehibena governemanta nandray anjara tamin’ny Fihaonana an-tampony Sina – Afrika tany Beijin, tamin’ny taon-dasa. Izany dia vokatry ny fiaraha-miasa mahomby eo amin’ny Repoblika Entim-bahoakan’i Sina sy ny Repoblikan’i Madagasikara. Ireo fiara ireo dia hanamafy ny lafiny fampitaovana sy andray anjara amin’ny fandraisana mendrika ireo Filoham-panjakana sy Governemanta andrasana eto Madagasikara mandritra izany fihaonana lehibe izany.
Izy ireto no itondra ireo Filoham-pirenena, Filoham-panjakana sy lehibena governemanta an’ireo firenena mikambana ao amin’ny SADC, izay handray anjara amin’ny fihaonana an-tampony faha 45 an’ity fikambanana rezionaly ity, eto Antananarivo ny 16 sy 17 aogositra ho avy izao. Ahafahan’i Madagasikara mandray amina arofenitra avo dia avo, sy amin’ny haja mifandrify amin’ireo vahiny manan-kaja ho avy amin’io fotoana io ireto fiara vaovao ireto. Nandritra izany indrindra no nanehoan’i Madagasikara faniriana ampiasa ireo fiara ireo andraisana ireo olo-manan-kaja mandritra ny Fihaonana an-tampon’ny SADC. Tsy nisalasala ny Firenena sinoa ary haingana ny valintenin’izy ireo, satria izay iray volana mialohan’ny Fihaonana an-tampony faha 45 ny SADC izao, dia efa tonga eto Madagasikara avokoa ireo fiara miisa 16. Marihina fa fanomezana madiodio avy amin’i Sina ireo fiara ireto. Porofon’ny hamafisan’ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy i Sina izao fanomezana izao. Maneho ny fahaizan’ny Filoha Rajoelina mifandray amin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena koa ity fanomezana ity. Hijanona ho fananan’ny fitondram-panjakana izy ireto, araka izany. Tsiahivina mantsy fa manomboka amin’io volana aogositra io, dia i Madagasikara amin’ny alalan’ny Filoha Andry Rajoelina.
Rado Harivelo



