Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

«BRANCHEMENT MORA» TSY ARA-DALANA TENY AMBOHIMANAMBOLA: Mpandraharaha voaheloka higadra enim-bolana sy hanefa onitra 2 tapitrisa Ariary

Mbola olana ho an’ny mponina maro eny Ambohimanambola ny fisitrahana herinaratra na dia mampiantrano ny tobim-pamokaran’ny orinasa Jirama aza ny Kaominina. Rehefa ambony ny tinady dia misy hatrany ireo olona manararaotra izany filàn’ny mponina izany. Nisesy tato ho ato ny fisolokiana ny mponina eny an-toerana mahakasika io fampisitrahana herinaratra io. Nampahafantatra indray ny orinasa Jirama omaly fa nahitana fampidiran-jiro tsy ara-dalàna teny Ambohimanambola.

Mpandraharaha tsy miankina iray no tompon’antoka voalohany tamin’izany tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fampidiran-jiro izany, hoy ny tatitra. Tsy nahazo alalana tamin’ny Jirama ny amin’ny fanatanterahana ny asa fampidirana jiro any an-tokantranon’ireo mponina manodidina io mpandraharaha io. Nandoa vola nivantana tany aminy anefa ireo mponina, nividy andrin-jiro sy fitaovana, ary nametraka izany hatrany an-tokantranona. Taorian’ny fahatrarana izao tranga izao dia niroso tamin’ny fanesorana ireo fitaovana tsy ara-dalàna ny Jirama. Nampiakatra ny raharaha teny anivon’ny fitsarana ihany koa izy ireo. Vokany, nomelohan’ny fitsarana higadra enim-bolana an-tranomaizina sy hanefa onitra 2 tapitrisa Ariary ilay mpandraharaha. “Manentanana ny rehetra izahay tsy hanao tahaka izao, satria sady ho tapahana ny herinaratra no mety hiditra am-ponja ihany koa”, hoy ny fanentanana nataon’ny Jirama.

S.S

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer