Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao

KIANJA BAREA: Manodidina ny 70% ny fahavitan’ny rafitry ny « Tribune »

Na dia nisy aza ny fanelingelenana vokatry ny valanaretina Covid-19 teto amintsika, nitohy tamin’ny asa fanambarana hatrany ny orinasa manao ny Kianja Barea Mahamasina. Ankehitriny, miroso ny asa, ary efa vita manodidina ny 70%-n’ny rafitry ny tribune ivelany. Efa hiainga koa ny fametrahana ny Gradin vaovao. Marihana fa voafaritra ho mialohan’ny 14 oktobra no tokony hahavitana ny fandrarahana béton rehetra ho an’ny tribune.

Efa teny nomena ny an’ny Filohan’ny Repoblika ary tsy maintsy tanterahana. Mandroso ankehitriny ny asa fanavaozana tanteraka ny Kianjan’i Mahamasina, mba hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena takian’ny Fifa fa indrindra mba hiarovana ihany koa ny ain’ny olona tsy hisian’ny fifanosehana mitondra amin’ny faharatrana sy ny fahafatesana rehefa misy lalao na fotoana lehibe atao. Hita taratra avy hatrany amin’ny rafitry ny kianja sy ny manodidina azy izay fanaovana ho laharam-pahamehana ny lafiny fiarovana izay. Tsara marihana fa famatsiam-bolan’ny Fanjakana Malagasy madiodio no hanaovana ity tetikasa ity.

Vita ny 70%-n’ny rafitry ny tribune ivelany

Nisy ny fampitam-baovao navoakan’ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika momba ity tetikasa ity. “Ho an’ny tribune manokana, raha novinavinaina ho azo nampiasaina ny 26 jona lasa teo izany dia nisedra fahatarana ny tetikasa noho ny fanovana nentin’ny fisian’ny aretina COVID-19 maneran-tany. Noho izany dia nofaritana mialohan’ny faha 14 oktobra no tokony hahavitana ny fandrarahana béton rehetra ho an’ny tribune”, hoy ny fanazavana. Aorian’izay dia mbola hisy akora hararaka eo ambonin’ny béton mba hampateza azy. Amin’izao fotoana izao dia vita manodidina ny 70% ny rafitry ny tribune ivelany, eo amin’ny rihana fahatelo amin’ny rihana efatra no hiasana izao, araka ny fampitam-baovao hatrany. Ho an’ny ao anatiny dia efa voarafitra manaraka ny fenitra ny fantsona ho an’ny jiro sy ny rano, efa voaomana ny toerana handraisana ireo efitrefitra toy ny birao sy toeram-panomanana isan-karazany, ny toeram-pivoahana, ny tohatra ary ny ascenseur. Vitaina miandalana mandritry ny fotoanan’ny orana ny famitana ny anatiny rehetra, isan’izany ny “decoration” sy ny “finition”.

Hanomboka ny fototra ambony ho an’ny Gradins

Ankoatra izay, hisy tohatra fidirana lehibe roa amin’ny sisin’ny tribune ka hitondra avy hatrany ny mpijery ao amin’ny rihana voalohany, mba hamaliana ny lafiny fiarovana indrindra. Mirefy 726m avy ireo, izany hoe mahazaka 2904 olona miara-miditra na miara-mivoaka isanisany. Ho an’ny gradins vaovao indray dia vita 90% amin’izao fotoana izao ny fototra lalina ambanin’ny tany izay miisa 172. Amin’ity herinandro ity ihany dia efa hanomboka ny asa ho an’ny fototra ambony ho an’ny gradins, araka ny fanazavana. Etsy ankilany, nafindra toerana ireo fitarihan-drano mamakivaky ny kianja, mba tsy hikitihana ny ny Kianja raha sendra misy olana any aoriana. Mahakasika ny kianja filalaovana, dia eo am-pamaranana ny fifantenana ny orinasa manokana hantanteraka izany ny orinasa CSCOD ankehitriny ary takiana amin’izany ny certificat d’agrément avy amin’ny FIFA sy ireo kianja hafa efa vita hanamarinana ny fanarahana ny fenitra takiana tokoa. Bozaka natoraly saingy misy fomba fanondrahana avy any ambanin’ny tany no hatao hilalaovana eo Mahamasina ka hanomboka ny volana desambra ny fametrahana ireo fantsona fanondrahana any ambanin’ny tany ary aorian’ny fotoanan’ny orana manaraka eo kosa no hanomboka hampitsiry ny bozaka.

Ny Fiadidiana ny Repoblika no tompon’andraikitra voalohany mpandrindra ny tetikasa (Maitre d’ouvrage) ka manara-maso akaiky ny lafiny rehetra amin’ny tetikasa ary mikaroka vahaolana ihany koa ho an’ireo lafiny ilàna fandaminana sy fiaraha-miasa amin’ny rafitra sy tompon’andraikim-panjakana isanisany. Noho ny maha zava-dehibe ny lafiny fiarovana amin’ny tetikasa dia ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena (MDN) no mpitantana ny asa atao (Maître d’ouvrage délégué).
Tags
Fermer