PolitikaSongadim-baovao
ADY AMIN’NY KOLIKOLY: Naneho ny fahavononany ireo mpikambana vaovaon’ny “PAC” Fianarantsoa
Vonona hiatrika ny andraikitra amin’ny maha mpikambana vaovao azy ao amin’ny PAC Fianarantsoa ireo tompon’andraikitra vaovao vao notendrena, raha ny nivoitra nandritra ny fametrahana azy ireo tamin’ny fomba ofisialy, ny alakamisy lasa teo, tany an-toerana. Naneho ny fahavononany araka izany, izy ireo, amin’ny fanatanterahana ny vina sy kinasa amin’ny fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly, izay fanetriben’ny firenena. Voasahana anatin’izany ny fanatsarana ny fahombiazan’ny fanenjehana ara-pitsarana, ary ny fananganana fitokisana amin’ny asan’ny Fampanoavana. Ny lanonana natao tamin’izany moa, dia mari-panombohana ihany amin’io andraikitra lehibe ho sahanin’izy ireo io, ary koa ho fanamafisana ny lalàna amin’ny hanasaziana ireo voakasiky ny raharaha kolikoly voamarina sy voaporofo. Ady izay anisany vaindohan-draharahan’ny Fanjakana sy ny Fitsarana, raha tsiahivina. Ny tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly na ny “Pôle Anti-Corruption” moa, dia isan’ireo mandrafitra ny Rafitra miady amin’ny kolikoly eto Madagasikara. Faritra maromaro araka izany, no efa misy azy ity, anisany ny ao Fianarantsoa io. Ny PAC araka izany, dia anisany manatanteraka ilay Paikadim-pirenena vaovao iadiana amin’ny kolikoly vao nampahafantarina vao tsy ela izay, teny anivon’ny Parlemanta farany teo, izay haharitra 05 taona manomboka amin’ity taona ity.
Tompon’andraikitra efatra napetraka amin’ny andraikiny avy
Notanterahina tamin’ny fomba manetriketrika tao amin’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny Kolikoly Fianarantsoa, ny lanonam-pitsarana nametrahana tamin’ny toerany, ny “Chef du Ministère Public près la Juridiction de Second Degré du PAC”, an’Andriamatoa Marovola Jean Wasselin. Teo koa ny maha “Substitut Général près la Juridiction de Second Degré du PAC” an-dRamatoa Razanajaona Arisoa Dimbiniaina Tafita, ny maha “Conseiller à la Juridiction de Second Degré du PAC” an’Andriamatoa Dimby Benaria Miharemana, ary ny maha “Substitut du Procureur de la République près la Juridiction de Première Instance” ny PAC Fianarantsoa ny tompon’andraikitra notendrena tamin’izany. Nanotrona io lanonana ofisialy tany an-toerana io ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, ary ny Mpandrindra Nasionalin’ny PAC, Rabarijohn Rivonandrianina, natrehan’ireo manam-pahefana isan-tsokajiny sy fiarahamonim-pirenena ao an-toerana. Araka ny fanendrena avy amin’ny Fitsarana Tampony dia ny lehiben’ny Fampanoavana Ambaratonga Faharoa ao amin’ny PAC Antananarivo, Ramatoa Rasoahanta Elysée, no teo amin’ny Fampanoavana Ambony tamin’io fotoam-pitsarana manetriketrika io.
Stan R.



