Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
ARIVONIMAMO : Razana iray hita tanaty lava-pako ahina ho nisy namono
Nisy razana hita ao anaty lava-pako tokony ho iray kilaometatra atsimon’ny lalam-pirenena voalohany, afakomaly. Nahazo antso avy amin’ny lefitry ny sefom-pokontany Morafeno, kaominina ambanivohitra sy distrikan’Arivonimamo ny Tobim-paritra Arivonimamo. Nidina tany an-toerana avy hatrany ny zandary roa tarihin’ i ZFKA Razafindrakoto Gabin, niaraka tamin’ny Lehiben’ny fahasalamana ao amin’ny distrikan’ Arivonimamo, ny Polisim-pirenena ary ny sefom-pokontany Morafeno hanao ny fizahana ifotony ny razana. Razana efa potika no hita teny an-toerana, ny karandoha sy ny taolan-tratra sisa tavela tao anaty lavaka fandoram-pako, tsy misy hamantarana azy intsony. Ahina ho nisy namono ity razana ity raha ny tsoa-kevitra avy amin’ny dokotera nanao ny fizahana. Marihina fa araka ny filazan’ny zanany dia namonjy raharaham-panambadiana tany Manazary Miarinarivo no nialany tao an-tranony ny sabotsy 12 jolay 2025 lasa teo, ary izao izy hita faty izao. Nandritra ny fizahana teny an-toerana no nahitana potika akanjo may, ary ireo no nahafantaran’ny zanany izay tonga teo fa ny rainy tokoa maty io. 51 taona ity raim-pianakaviana ity, tao Arivonimamo, manambady sy manan-janaka, mipetraka Antanibe, fokontany ao ihany kaominina sy distrikan’ Arivonimamo. Taorian’ny fizahana nataon’ny dokotera dia natolotra ny vady aman-janany sy ny fianakaviana ny taolam-balo sisa tavela. Nampandrenesina Ramatoa tonia mpampanoa lalàna Arivonimamo. Misokatra ny fanadihadiana ka ny Polisim-pirenena no misahana ny fanadihadiana.
Pierre M.



