Songadim-baovaoSosialy
AKANY FITAHIANTSOA – ANDRANOMAHERY : Nahazo tohana indray avy amin-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy
Ankizy anjatony maro no efa noraisina sy notezaina tao amin’ny Akany Fitahiantsoa, eny Andranomahery Ankorondrano. Tsara marihina fa ankoatran’ny fitaizana dia mampianatra an’ireo zaza ireo ihany koa ny Akany. Mampisakafo koa satria any an-tokantranon’ny Ray aman-dReniny any ny ankizy dia tsy vitsy ireo tsy manana sakafo hohanina, na mihinana ihany fa tsizarizary. Noho izany indrindra no hanomezan’ny Akany azy ireo sakafo. Amin’izao fotoana izao, na dia vanim-potoan’ny fialantsasatra aza, dia misy zaza kamboty sy sahirana raisina ihany misakafo isan’andro ao amin’ny Akany.
« Amin’ny maha-Reny mpiahy ahy dia nitsidika azy ireo tahaka ny fanaoko izaho sy ny mpiara-mikatroka ao anatin’ny Antoko Freedom androany (ndlr: omaly) tolakandro. Nanampy ny Akany amin’ny famahanana ireo zaza raisina ao ka nanolotra vary sy entana ilaina andavanandro (PPN) mba hanamaivanana ny vesatra iantsorohana amin’ny fandraisana an-tanana ireo zaza kamboty sy sahirana ireo », hoy Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy, Reny mpiahy.
Nisy 15 raha tsiahivina ireo zaza taizana ao no nanala fanadinana CEPE farany teo, ka 8 tamin’izy ireo no afaka ka notolarana kitapo sy fitaovam-pianarana mba hampirisihana azy ireo hanohy ny fianarany fa tsy hijanona eo. “Misy kambana mirahavavy kely, Nandrianina sy Fanilo sy kambana mirahalahy kely, Co sy No koa taizana ao, hitako ny naha-zazakely azy ireo tamin’ny vao tonga tao taona vitsivitsy lasa izay. Mamy kely ery ny nihaona tamin’izy ireo indray androany”, hoy hatrany ny fanehoan-kevitry Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy.
Ny Fanoratana.




